Sunday, June 29, 2008

Raha toa moa ka … hamono ny RTA ny Pazzapa?

Ny fandaharana RealTV Pazzapa, izay hala tahaka ireo fandaharana vahiny toa ny Star Ac, dia isan’ny fandaharana be mpanaraka sy be mpankafy tokoa. Manaporofo izany ny tabataba avy amin’ny mpijery amin’ny fandaharana maro eto an-drenivohitra rehefa misy tsy mahafa-po azy ireo ny fandehan’ity fandaharana ity. Mety ho azo inoana hoe izy no fandaharana mampiala voly be mpanaraka indrindra eto Madagasikara.

Maro mpitsikera ihany koa anefa io fandaharana io, noho izay fahalazany be loatra izay. Ao ny toa an’i news2dago izay milaza fa manimba ny mpianatra io fandaharana io, noho ny fanaovan’izy ireo antsirambina ny fianarany, ary tsy raharahian’ny RTA akory izany. Misy ny milaza fa manao fitrandrahana tsy ara-drariny an’ireo tanora kely ireo ny RTA. Izaho moa dia efa nanatsidika fa tsy rariny ilay fandefasana SMS iny no tsy mba misy loka zaraina ho an’ny mpijery akory nefa dia ny mpijery ihany koa no tokony mba hahazo ny anjarany. Ao ihany koa ny manakiana an’ireo mpanakanto nivoaka tao amin’ny Pazzapa ka milaza azy ireo ho tsy manan-talenta firy.

Ho ahy manokana aloha dia nihena tokoa ny fitiavako ny groupe RTA iray manontolo noho ity fandaharana Pazzapa ity. Ny antony dia tsapako ho mitongilana be loatra amin’ny mpanakanto nivoaka avy tao amin’ity fandaharana ity ny groupe iray manontolo eo amin’ny fandaharana hira sy mozika na fampahafantarana mpanakanto, ka manjary tsy izay tsara sy manan-talenta no miseho matetika fa izay nivoaka tao amin’ny Pazzapa. Raha ny RTA no jerena, toa tsy mpanakanto intsony izay tsy nivoaka tao amin’ny Pazzapa. Eo no ilazako hoe mety hamono ny RTA ity fandaharana ity. Toa mba manam-peo manga ihany izany Mirado izany kanefa raha vao RTA no jerena dia ny groupe Tsakarao no tsy maintsy ho hitanao ao foana.

Marina fa rehefa zariny an’iny ny sofinao mpihaino dia ho lasa tia ho azy (amin’ny ankapobeny), nefa koa rehefa tsy tianao hatramin’ny voalohany ilay izy, na haverina in-jato eo aza dia vao mainka ny tsy fitiavanao an’ilay kanto no mitombo. Ankehitriny aloha ny RTA dia fijerena Formule Foot sisa ho ahy, fa raha izay fandaharan-kira alefany dia tsy mihaino/mijery an’izany intsony aho e! Mba ilazao rehefa miova ry zalahy ka tsy dia manao matraquage de Pazzapa intsony.

Mitera-boka-dratsy ho an’ny mpankafy sy ny ankafizina ity fahalazana teren-ko masaka ity. Ny fahalazana no tanjona fa tsy ny fitiavana an’ilay kanto, ary hatramin’ny Ray aman-dReny no mamita-tena, ka naleon’izay nanana ny tsy dia re firy nampivondrona ny zanaka nivoaka tao amin’ny Pazzapa hanao hetsika. Tsaroana, tamin’i Sitraka nivoaka ny Pazzapa, dia notakian’ny mpankafy hoe aiza izy no tsy re? Rehefa tena dinihina anefa, ny azy no mety: tsy tereny hankafy azy ny olona fa ny kanto no ataony, miandry izay fotoanany fa rehefa masaka tsara ve iny tsy ho babo ihany ny sofin’ny mpihaino?