Sunday, April 6, 2008

Raha toa moa ka … asiako patanty ny teny hoe What if?

Tato ho ato dia tsikaritra fa misy ny namana mampiasa tsy mahazo alalana an’ilay teny kely hoe “Raha toa moa ka …”. (Raha toa moa ka … i Jesoa no eto amin’ny toerako?, …) Ity blaogy ity moa tsy dia misy mpitsidika firy, ary na misy mpitsidika aza, sady misy Ads, dia lasan’i Sefobe ihany ny sôsy fa tsisy ho ahy, koa dia nahita hevitra anankiray aho hampidirana vola amin’ny alàlan’ity blaogy ity.

Nakako patanty tany amin’ny OMAPI ny fampiasana ny teny hoe “Raha toa moa ka …” sy ny hoe “Et si …” ary ny hoe “What if …”. Koa izay mampiasa an’ireo teny ireo any amin’ny blaoginy, na tsy mamafa an’izany any amin’ny blaoginy raha efa nampiasa taloha, dia mandoa vola 1Ariary aty amiko, isan’andro, isaky ny misy mitsidika ilay pejy. Marihina fa ny 0.3 ariary amin’io vola io dia mbola omena an’i sista-karine satria tany aho no naka style.

Thursday, April 3, 2008

Raha toa moa ka … teratany kiobanina i DotMG?

Tandremo: tantara efa nandeha ity horesahiko anio ity.

Miova andriana, miova sata tokoa va re ry zareo ao Kioba, fa nony i Raolona no nitondra ny fanjakana dia nisy fanalalahana vitsivitsy noraisina. Manomboka mahazo mampiasa finday amin’izay ny olom-pirenena tsotra, manomboka mahazo mividy laptop ny olom-pirenena tsotra, manomboka mahazo mandeha any amin’ny hotely izay tiany amin’izay ny olom-pirenena tsotra, ny hany fepetra dia ny fahatakaran’ny sôsiny; raha toa ka ny tompon’andraiki-panjakana ambony sy ny vahiny ihany no nanana izany zo izany teo aloha. Sahala amin’ny hoe manomboka misy ny fahafahana ô?

Eto Madagasikara, volana vitsivitsy lasa izay, namoaka lalàna ny fitondrana fa tsy mahazo mametaka film matroka amin’ny fiara intsony ny olom-pirenena tsotra, fa dia ny tompon’andraiki-panjakana ambony sy ny vahiny ihany sisa no hahazo alàlana amin’izany, raha toa ka samy nanana an’izany zo izany ny bodo sy adala teo aloha. Volana maromaro taty aoriana, toa tsy tsapan’i DotMG izay mba tombontsoa azony tamin’izany lalàna hafahafa izany.

Izao dia reko indray fa tena hapetraka ato ho ato koa hono ilay lalàna hoe tsy mahazo manao slip miloko fotsifotsy intsony ny olom-pirenena tsotra, fa ny vahiny sy ny tompon’andraiki-panjakana ambony ihany no hanana izany zo izany. Nefa ny fanjakana tsy hividy ny slip-nao miloko fotsy hoe fripy fa dia ny manary no mety. Tsy rariny ô?

Raha toa moa ka … nandatsa-bato TGV i DotMG tamin’ny fifidianana ho Ben’ny Tanàna, tsy hoe satria naharesy lahatra azy iny iraikalahy iny, na hoe hitany hoe metimety kokoa noho ilay iray hafa, fa noho ny tsy fahafaliany tamin’ilay antoko politika lehibe tompom-pahefana nanao an’ilay lalàna mandrara ny film sy fitiavana te hamelaka kely fotsiny? Sain-jaza ô?

Tuesday, April 1, 2008

Raha toa moa ka … Tsy ho ampijaliana ny renintsika (1)

Diso tsipelina io lohateny io ka. Natao fanahy iniana mihitsy. Ny tena lohateny dia hoe “Raha toa moa ka … Tsy ho ampijaliana ny tenintsika”. Natao fanahy iniana nodisoana fotsiny io mba hanasongadinana fa rehefa misy diso ny tsipelina dia mety hampiova ny hevitra tian-kambara mihitsy. Koa aleo mandany andro kely manamarina ny tsipelina (raha hay) ary miezaka mianatra ny fanoratra marina arak’izay tratra.

Mba hiresaka momba ny mpanoritra aho anio.

1) Ny anarana Malagasy dia matetika efa misy mpanoritra miaraka aminy, toy ny hoe Rajao, Andrianampoinimerina, Ikoto, … koa tsy tsara ny hanasiana mpanoritra anankiroa mifanesy. Noho izany, dia tsy tokony hatao ny manoratra hoe i Rakoto, fa ilay hoe Rakoto fotsiny dia ampy.

Ohatra: Hoy Ravalomanana, fa tsy hoe Hoy i Ravalomanana, …

2) Misy mampifamadika matetika ny mpanoritra ny sy i. Ny fika tsotra atoroko dia atambatra amin’ny hoe hoy i na hoy ny ilay teny, dia izay metimety kokoa no tokony ho izy. Hoy ny fahitalavitra izao no mety noho ny hoe hoy i Fahitalavitra, dia raha hanoratra dia tokony hatao hoe hita tamin’ny fahitalavitra, fa tsy hoe hita tamin’i fahitalavitra.

Matetika, rehefa raisina toy ny olona (personne) ny zavatra tondroina ary amin’ny maha-tokana an’iny olona iny, dia i no mpanoritra ampiasaina: tamin’i Dada, i Madagasikara; ary rehefa zavatra iaraha-manana, ka ilay mpanoritra dia entina mampiavaka an’ilay zavatra (hoe anay ohatra), dia ny kosa no ampiasaina: faly ve ny mamanao? (jereo fa mety koa ny hoe faly ve i mamanao?)