Wednesday, April 16, 2008

Raha toa moa ka … tsy lanitra ny tontolo misy anao.

 Andeha hamakafaka dokambarotr’i Orange indray isika anio. Dokambarotra iray mifono hevi-dalina izy ity, ary efa miparitaka eran’ny sehatra maro natokana ho an’izany.

Eny amin’ireny fafana lehibe ireny dia toy izao no famariparitana ny sary: Lehilahy iray, ravoravo, mipetraka eo ambony bozaka maitso (mavomavo ho an’ny maso sasany), mamaky gazety. Misy gitara eo ankavanany eo ary lavidavitra kely azy misy baolina fandaka (kitra). Izy irery no eo, ary hita ery lavitra ery ny lanitra, misy rahona vitsivitsy. Eo ambony misy soratra hoe “Tsy lavnitra ny tontolo misy anao”.

Doka orange, Tsy lavitra ny tontolo misy anao

Raha toa moa ka … tsy lanitra ny tontolo misy anao.

1) Ilay gazety dia milaza ny fampahalalam-baovao. Raha lanitra ny tontolo misy anao dia ho nanana fahalalahana izy ireny ka afaka niteny izay tiany ho notenenina, saingy tsy lanitra moa ny tontolo misy anao ka dia matetika izy ireny no voarahon’ny Lehibe, ary misy sasantsasany izay tsy manaiky lembenana no nakatona, ary tsy sahy mitaraina fa ny hafa no mitaraina ho azy.

2) Ilay baolina kitra dia midika baolina kitra. Raha lanitra ny tontolo misy anao dia ho nanana fahalalahana hanao baolina kitra ny mpitia sady matihanina amin’izany, saingy tsy lanitra moa ny tontolo misy anao ka dia … naaton’ny FIFA i Madagasikara satria fa …

3) Ilay gitara dia midika ny lamozika sy ny kanto. Raha lanitra ny tontolo misy anao dia ho nanana fahalalahana hanao fampisehoana ny artista rehefa vita lamina ny momba izany, saingy tsy lanitra moa ny tontolo misy anao ka dia … ny Lehibe no manapaka ny mahamety na tsy mahamety izany, ka rehefa hoy izy hoe OK dia OK ary rehefa hoy izy hoe tsy OK dia tsy OK.

4) Raha tazanina lavitra ny sary toa mahavelom-bolo izany: Manga ny lanitra, Maitso mavana ny tany. Kanjo rehefa dinihina, toa lanitra semban-drahona ilay lanitra, ary bozaka miloko mavomavo fa tsy dia maitso ahoana. Ary tsy mba nisasaka teo afovoany akory ny loko manga sy maitso (mavo e)  fa, ny ampahany maneho ny tany no mibahan-toerana bebe kokoa. Eeee, mbola ety an-tany isika e!