Monday, September 29, 2008

Raha toa moa ka … 3F (IKor 13: 13)

Finoana, (Aza matahotra, minoa fotsiny ihany)

Fanantenana, (Fanantenana Vaovao)

Fitiavana (Andry Rajoelina se porta officiellement candidat à la Mairie de la Capitale, avec, pour cheval de bataille l’Amour (« Fitiavana »))

Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe amin’ireo. (IKor 13: 13)

  1. ikalamako

    Monday, September 29, 2008 - 12:01:45

    ary tsisy soavaly intsony angaha ao Antananarivo no amour no taingenan’i lery ?

  2. DotMG

    Monday, September 29, 2008 - 12:05:29

    Feno soavaly aty ka. Misy soavaly betsaka aty. Soavaly lahy aza aty mody hoe soavaly vavy mdr fa ny an’ilehiry ny Amour-ny no soavaliany. Comme tout le monde e! If you see what I mean…

  3. Rajiosy

    Monday, September 29, 2008 - 12:50:57

    ary ity fisoavaliana fivavahana ity ve tsy tokony avela @ izay fa sao dia misy krach spirituel eo ?
    raha ry le8 mbamin-dry le-andry (golden boys amina banques d’affaires spirituelles) mantsy toa ohatran’ny mivarotra vavaka-subprime sa ahoana hoy ianareo ?
    tsy aleo ve averina monopole-ndry pasy sy da-mompr (banques de détail sady banques de dépôt religieuses) indray ?

    raha toa moa ka…
    raha toa moka…
    dia manindrontsindrona

  4. DotMG

    Monday, September 29, 2008 - 12:59:00

    Ny pôlitika ve no nisoavaly fivavahana voalohany sa ny mifanohitra amin’izay?

    Tsy afaka misaraka intsony ny pôlitika sy fivavahana ka. Any amin’ny asam-panjakana no iantsoana an’Andriamanitra ary any am-piangonana no anazavana ny fanovana ny rafi-pampianarana. Raha hiditra pôlitika, mahaiza mifidy teny ao @ baiboly atao filamatra fa raha tsy manao an’izay dia tsy tafa. Inty aho, iraho aho hoy ny sasany. Any aza efa misy mpi-blaogy manao motto hoe “Work hard at whatever you do!”, ngamba koa ilehiny hirotsaka amin’ny sehatra pôlitika e?

  5. ikalamako

    Monday, September 29, 2008 - 13:24:55

    yeah, I see !!! Mine as well… It’s not like that one in GDG :-P

    ka ny Lanitra hono tsy manampy izay tsy manampy ny tenany, ka tous les moyens sont bons ‘zany ; miara-miasa eny daholo satria samy mikabary…na ambony vavahady na ambony pilopitra.

  6. DotMG

    Monday, September 29, 2008 - 14:18:15

    Ary tsy asianareo kômantera ngaha le hoe …fa ny fitiavana no lehibe amin’ireo?

  7. ikalamako

    Monday, September 29, 2008 - 14:24:00

    soavaly sy kabary ambony vavahady no tena kapoakan’ny mpamaky izany. Fa ny fitiavako aloha ambony indraindray dia indraindray ambany e…

  8. ikalamako

    Monday, September 29, 2008 - 14:24:26

    fa ny fitiavana no ambonin’ny zavatra rehetra hono koh.

  9. Rajiosy

    Tuesday, September 30, 2008 - 02:43:37

    sao dia manao gasy ambony indray ary ny sasany !

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment