Thursday, December 4, 2025
Omeo laharana ny fanananao lafovidy
Nisy fiaramanidina anankiray an’ny kaompaniam-pitaterana indianina, hadino tamin’ny taona 2012. HADINO. Tsy nisy nahafantatra ny mpiasan’ny kaompania hoe misy an’io fiaramanidina io mipetra-potsiny ao, ary an’ilay kaompania. 2012 hatramin’ny 2025, nipetra-potsiny tsy nisy nahafantatra ny fisiany.
Ity misy torohevitra ho antsika olon-tsotra, mba hialàna amin’ny fanadinoana ny fananana toy io. Asio “immatriculation interne” ny fanananao. Zavatra ilaina : kahie na karne.
Rehefa mahazo fananana anankiray ianao, ohatra hoe fiarakodia vaovao, izay manana ny laharany (ohatra hoe 0248 TZ) dia ianao kosa manomeza laharana an’io fanananao io, izay ianao no mikarakara ny laharana.
Fiara voalohany, omeo laharana ohatra hoe FIA-00001 iny fanananao iny, dia soraty tsara ao amin’ilay kahie na kariné. Aty aoriana, mety hoe mahazo fiara iray vaovao hafa ianao, dia omeo laharana FIA-00002 kosa indray io. Dia toy izany hatrany.
Toy izany koa ny trano, nahavita trano voalohany ianao, dia omeo laharana TRA-00001. Rehefa mahavita trano faharoa dia ataovy TRA-00002
Ny zavatra mety mahagaga anao amin’ity torohevitra ity dia hoe fa maninona no misy aotra efatra mialoha an’ilay tarehimarika 1 na 2? Fa maninona no tsy natao hoe FIA-1 sy FIA-2 fotsiny? Ny antony dia resaka fijery miabo na “optimisme”. Raha mino ianao fa tsy hahavidy fiara mihoatra ny 9 mihitsy mandra-pahafaty, dia mety aminao raha FIA-1 sy FIA-2 fotsiny. Raha azonao antoka tanteraka fa tsy hihoatra ny 99 ny isan’ny fiara hovidianao, dia FIA-01, FIA-02 dia ampy.