Sunday, April 13, 2008

Raha toa moa ka … asolo régime Mpitsara ny Demokrasia?

Rehefa avy nitondra ny Zanak’Isiraely nivoaka an’i Egypta i Mosesy, ary efa voky andro ka hody any amin’ny razany, dia i Josoa, izay lehilahy hitan’Andriamanitra fa mety hahavita azy no nasainy natao ho solon’i Mosesy. Taorian’i Josoa ny andron’ny Mpitsara, ary taorian’ny andron’ny Mpitsara vao nentina mpanjaka ny Zanak’Isiraely, satria ny vahoaka mihitsy no nangataka tamin’Andriamanitra hoe omeo Mpanjaka toy ireo firenena hafa manodidina anay izahay.

Toy ny ahoana ary izany andron’ny Mpitsara izany hoy ianao? Ny Mpitsara dia mpitarika ny vahoaka, voahosotr’Andriamanitra, ary nitana andraikitra maro teo amin’ny firenena. Toy ny Filoham-pirenena ankehitriny izy, kanefa manana andraikitra hafa ankoatry ny andraikitry ny Filoham-pirenena amin’izao fotoana izao: Mitsara ny adin’ny vahoaka (toy ny mpitsara ankehitriny), nefa izy ihany koa no manao ny famotopotorana ilaina (sady mpanao “enquête”, izany hoe toy ny pôlisy ankehitriny). Ny Mpitsara ihany koa no mampianatra ny lalàn’Andriamanitra, ny baikony no arahina eo amin’izay atao hoe fivavahana. Raha oharina amin’ny andro ankehitriny dia toy ireo olona eken-teny eo amin’ny rafi-pivavahana ankehitriny izany ny Mpitsara.

Mpitari-tafika ihany koa ny Mpitsara. Amin’ny andro ankehitriny moa, raha handray ohatra an’i Madagasikara aho dia tsy misy firenena miady amintsika fa ny fahavalo iadiana dia ny Fahantrana sy ny SIDA, koa raha noeritreretina hoe nisy Mpitsara amin’izao androntsika izao teto Madagasikara dia io Mpitsara io izany no lehiben’ny ady amin’ny SIDA sady lehiben’ny ady amin’ny fahantrana.

Raha aravona izany dia sady Président de la République izy no Chef suprême des armées no Leader spiritueux no Enquêteur & Juge (& Partie) no mpanapa-kevitra amin’izay ady atrehina (amin’ny SIDA, amin’ny Fahantrana). Izy no manao ny lalàna ary izy no mampihatra izany, sy manafay izay tsy manara-dalàna. Sady Loholona izy no Solombavambahoaka, ka mitondra ny hetahetan’ny vahoaka eo aminy sy eo amin’Andriamanitra.

Raha mandroso ny firenena dia Mpitsara mahomby izy, jereo fa nataon’Andriamanitra nandresy izay rehetra fahavalony hatrany ny Zanak’Isiraely tamin’ny andron’ny Mpitsara marina. Raha tsy mandroso kosa ny firenena dia noho ireo vahoaka tsy mety mino sy tsy manaraka ny toroheviny.

Raha toa moa ka …