Monday, October 6, 2008

Raha toa moa ka … kiloa sy maizina

(Fa ity blague sendra hita tany dia natao copier/coller, mba mandika ny an’olona kosa tsindraindray e …)

Tonga tany an-danitra hono ireto vola taratasy anankiroa, ariary zato sy iray alina ariary, fa niara-maty an-drano tamin’ilay rangahy nanao azy ireo am-paosy. Mandeha tsirairay moa hojerena eo amin’ny bokin’ny fiainana raha hita ao ny anarany. Vao teo amin’ny anjaran’ilay ariary zato anefa dia hoy ilay mpijery:

Ah, ianao tsy mila jerena intsony fa efa azoko antoka hoe ato ny anaranao, hoy ilay mpijery ny boky sady efa reraka ihany koa izy mantsy. Tonga dia midira ao @ paradisa.

Ah, ianao tsy mila jerena intsony fa efa azoko antoka hoe tsy ato ny anaranao, hoy ihany kosa izy mantsy ilay vola iray alina ariary. Io ry zalahy atsipazo any amin’ny afobe a!

Fa nahoana? hoy ilay iray alina ariary nitabataba. Tsy rariny. TGV angamba io mpijery boky io dia manao fanavakavahana fotsiny satria aho misy ilay sary TIM. Sa ilay solon’anarana hoe maizina omen’ny gasy ahy no ieritreretanareo fa maizina koa aho?

Mangina ialahy, hoy ireo anjely nitazona azy efa nivonona ny hanipy azy any amin’ny afobe. Ny asa vita ihany aty no ifampitsarana fa tsy misy fanavakavahana izany. Iny ariary zato iny mazoto miditra am-piangonana isan’alahady fa ialahy iray alina io, tsindraindray fotoan-dehibe ihany vao mba nahita an’ialahy tao am-piangonana izahay, dia izay no antony.