Saturday, December 13, 2008

Raha toa moa ka … anniversera

Joyeux anniversaire Monsieur le président. Niampy iray indray ny taona niainan’ny Filoham-pirenena Marc Ravalomanana ka dia miarahaba azy. Hadinony moa ny nanasa ny what-if tamin’ity indray maka ity, tsy omena tsiny izy fa fantatra kosa fa mieritreritra izay mahasoa ny tena izy, toy ny ieritreretany izay hahasoa ireo 19 tapitrisa hafa … Mirary anao ho tratry ny taona maro mitsingeringerina, sy hahefa be amin’ny asa tsara izay ataonao.

Herintaona izay no nahalany ho Ben’ny Tanàna an’Antananarhivo an’Andriamatoa Andry Rajoelina. Mirary anao hahavita be amin’ny asa fampandrosoana ny tanànan’Antananarhivo, sy hahatratra ny tanjona amin’ny fanatanterahana ny MAP (Miasa Am-Pitiavana). Handresy ny sakana rehetra anie ianao Mosé lé mera.

Herintaona androany i What-if. Herintaona toy izao no nanolorana voalohany ny fofompofon’ny rediredy hitranga ato dia niantomboka tamin’ilay hoe “Roulette russe”. Tadidinao ve? Happy birthday to me.