Wednesday, January 28, 2009

Raha toa moa ka … aorian’ny fahamainana ny fahalenana.

Mbola salama tsy marofy aty DotMG, tompokolahy sy tompokovavy.

Tsy nahavita namaky ireo rohy maro ao amin’ny fahana RSS ary tsy hovakiana intsony angamba izay tsy tratra.

Tsy manam-potoana hamahanam-bolongana loatra intsony koa fa be asa be.

Koa izay tsikaritra ka tsy voalazan’ny hafa aloha no ezahina horesahina.

Dia tsy inona moa izany fa araka izay efa voalaza etsy amin’ny lohateny io. Fotoana maromaro mantsy izay dia maina jiaby ny hazo cyprès teto Antananarivo, nolazaina fa nohanin’ny bibikely. Tahaka ny aretina mifindra mihanaka mihitsy izy ity, ary ireo fefy mba tsara endrika lalovana dia nitory fahalahelovana amin’izato lokony mainty toa misaona sa fambara loza?

Ny fisehon’io aretina io dia mahazo tsikelikely ny ravina maintso rehetra izay mivadika ho lasa mainty na mivolon-tsôkôlà. Misy ny ampahany amin’ny hazo no maina, misy ny hazo iray manontolo na ny fefy iray manontolo mihitsy no voa.

Ankehitriny anefa dia mahavelom-bolo ny mahita fa taorian’ny filatsahan’ny orana dia mitsiry maitso indray ireo hazo cyprès ireo. Ho an’ny hazo sasany dia efa takona mihitsy aza ilay loko rava teo aloha, ary vao mainka endrika tsara kokoa aza no niseho satria dia maitso tanora, mitory lokon’ny fanantenana sy ny fiainam-baovao ireo cyprès vao maniry.