Monday, March 16, 2009

Raha toa ianao ka … hiady, aza mitsapa ny herinao izany

Hoy ny taim-bavan’i Nedala hoe : Alohan’ny hiantsiana ady, fantaro aloha ny herinao. Indrisy fa ankehitriny dia toa miverina aminy io teny io. Saingy, raha ny fahitako azy kosa dia izao no fahendrena tokony horaisina: Alohan’ny hamakiana ady, fantaro aloha ny herin’ny fahavalonao sy ny fahalemenao.

Avant de partir en guerre, évalue la force de ton adversaire et aussi tes faiblesses.

1) Fantaro aloha hoe iza no fahavalonao.

Mialoha ny zavatra rehetra, fantaro aloha hoe iza no fahavalonao. Raha Andry Rajoelina, fatina DJ kely tsy misy traikefa no noeritreretin’Andriamatoa Ravalomanana ho fahavalony dia diso amin’ny katesizy ny lehilahy. Amin’izao andro anoratana izao dia hitany tsara hoe iza no tena namany ary iza avy kosa no fahavalony. Raha tsy isaina aloha ny vahoaka Malagasy fa ireo olo-manan-kaja fotsiny dia tratry ny be noho vitsy izy. Indrisy. Ny eto an-toerana fotsiny izay. Ny momba ny fahavalony avy any ivelany, izay iaraha-mahalala hoe iza manginy fotsiny.

2) Fantaro ny herin’ny fahavalonao.

Rehefa hita sy voafaritra tsara hoe iretsy no fahavaloko sy mety ho fahavaloko, dia mila tombanana tsara ny hery ananan’izy ireo, ary tombanana hoe toy ny inona rehefa mitambatra. Ity tolona ity dia nahitana fa kely vovok’aina ilay TGV, mahery am-boalohany fa mora sempotra, ka voatery nitady fanampiana tamin’izay ankolafin-kery rehetra nanaiky hijapy lamasinina.

3) Fantaro ny fahalemenao.

Tsy ny herinao akory no inona amin’ny ady, fa na mahery toa inona aza ianao ka sendra ny mahay angaredona na ny manam-paharetana, mety ho reraka ihany koa na ho tratry ny tsy ampoizina. Ny fahalemen’ny tena no mila fantarina fa io no ahafahan’ny fahavalo mandresy ny tena.
Raha hiverina amin’ilay hoe fantaro ny fahavalonao aho, dia anisan’ny voalohany amin’ny fahavalon-dRavalomanana dia izy tenany ihany sy ny avonavom-pony. Fahalemena lehibe ho azy ny tsy fananany sofina afaka hihaino ny hafa fa ny azy ihany, … izany hoe mihaino ihany ny lehilahy fa misy fahatarana (retard de phase) foana. Ny fahalemeny faharoa dia ny tsy nahavitany ny mission nampanana ny tsy manana nefa tsy maka amin’ny manana, fa toa vao mainka ny nifanohitra tamin’izay aza no tsapan’ny olona sasany, hany ka raha vao nahita mpanohitra tsy isan’ny goaika antitra ny vahoaka dia nirohotra nanohana.