Thursday, April 16, 2009
Raha toa moa ka … hatsahatra
Mamomamo rangahy niditra tao am-parafara, tsy katry be akory fa mba dizna kely fotsiny. Avy dia nanafosafo sy nanorokoroka an-dramatoa fa te hanao ilay adidin’ny mpivady. Kanjo tonga dia nahifik’ilay vadiny tsy misy fitserana.
- An an an, hoy rafotsy nasiaka, tsy androany fa sady vizana be aho izany no marary be ny an-dohako, sady tsy tiako fa misy fofon-toaka indray ianao.
Somary tezitra rangahy ka somary notereny nosokafana ity fem-badiny sady nampiany hoe :
- Hanao itena sa tsy hanao fa rehefa tsy hanome izay ilaiko izaho koa anie mahay mitady any an-kafa e … Tsy lany firy mille akory dia mahazo tsara noho ny an-tena.
Avy dia nampiaka-peo ilay rafotsy :
- Tena mba aoka hatsahatra amin’izay kosa rainy ity fampiasan-kery sy fandrangitana ary fampitahorana ity a!
- Ka atsaharo koa aza ny fankahalĂ na, ny fitokonana sy ny fanelezana vaovao tsy marina e!