Monday, August 10, 2009

Raha toa moa ka … toaka sy ve-tsin

Dimam-polo taona androany Razily. Tsy ilay Razily nalaza nitondra saina tamin’ny hetsiky ny mpanohana ny ara-dalàna, fa Razily hafa, lehilahy nonina ao atsinanana kelin’Ambohimangakely ao. Toy ny isaky ny andron’ny tsingerin-taona nahaterahany dia hiboboka toaka indray Razily androany, tsy hijanona raha tsy mamo tampina. Raha ny faniriany dia hasiany ve-tsin sy poizim-boalavo iny toaka hosotroiny iny saingy … mbola mila mamelona an’i Jaona, zanany kilemaina izy ka tsy manan-jo ny hamoy fo.

Valo ambinifolo taona lasa izay, hankalaza ny tsingerin-taona faha 32 taonany Razily. Niala sasatra tany Antsirabe i Jaona zanany, ka lasa nalain’i Raivo vadiny tany. Tsy nahita taxi-brousse izy mianaka tamin’io fotoana io fa soa ihany nisy mpivady nitondra 404 fotsifotsy, handeha hiakatra indrindra, nanaiky ny hitondra azy mianaka. Tsotra be ireto olona nitondra azy, nilaza fa mpitandrina ilay rangahy mpamily ary tsara resaka teny ambony fiara.

- Mponin’Antsirabe ianareo mianaka sa mponin’Iarivo?
- Avy any Ambohimangakely tompoko, fa naka an’ilaikely ity avy naka vacances taty fotsiny.
- Hay? Dia hatry ny oviana no taty Antsirabe?
- Ilaikely herinandro izay fa izaho vao omaly alina no tonga taty. Haka azy fotsiny aho.
- Dia manao ahoana ny ao Antananarivo ao?
- Ao, tsy mety milamina ao ka. Izahay moa tompoko any ambanivohitra dia mba milamindamin-dratsy.
- Izahay mivady izao, hamangy havana eny Andravoahangy. Tokony ho amin’ny herinandro no hankaty fa naleo nandeha androany fa handray anjara amin’ny Diaben’ny fahafahana.

Efa nifanarahana tokoa fa hatreo Iavoloha ihany no ho afaka hitondra ireto manam-piara. Hay izany, mpanatevin-daharana ny hetsika politika ataon’ny Hery Velona ireto olona ireto. Rehefa nandeha teny anefa ny resaka, toa mitovy ny tadin-dokanga na amin’ny fijery politika, na resa-pivavahana, ka dia nifanaraka ny iray fiara fa hiaraka hijery izay ao amin’ity Diaben’ny Fahafahana ity, ary hiaraka ihany koa avy eo ho eny Andravoahangy, akaiky kokoa an’Ambohimangakely. Zaran-dRaivo koa aza mba ho tonga alohaloha any an-tanàna amin’ity fetim-badiny.

Anisan’ny tonga aloha teny Iavoloha ry zareo, ary tafiditra alohaloha ihany tamin’ireto vahoaka analin-kisa tsy mahalala izay hanjo azy afaka fotoana fohy. Na dia tafiditra aloha aza anefa, tsy nahita maso izay tena nitranga tao aloha tao, fa ny sofina no nandre poabasy tifitra variraraka tampoka, izay vao indreny vahoaka marobe mihazakazaka miverina, mamonjy aina, mihosin-dra ny sasany ary misy koa ny maratra. Tao anatin’iny fitsoahany iny no nahavoatifitra an’i Raivo sy i Jaona, Raivo avy ao an-damosiny, voatifitry ny bala iray izay tafagorobaka teo amin’ny kibony; i Jaona voa teo amin’ny feny sy ny sandriny havanana. Nisy lehilahy anankiroa, mpitolona, nibaby azy mianaka fa samy tsy afa-nihetsika intsony. I Jaona nikiakiaky ny tomany tsy an-kijanona, Raivo kosa tsy nandrenesam-peo. Ry Pasitera mivady tsy hita tao anaty sakoroka tao. Tety amin’ny arabe, nisy ny fiara namonjy izay maratra nitondra azy ireo tany amin’ny toeram-pitsaboana.

Ny ampitso vao maraina be no tonga teny amin’ny hopitaly Razily, rehefa nandre ny vaovao tamin’ny olona avy teny Iavoloha. Tsy ninoany anefa ny hahita azy mianaka ao fa fialà-nenina tsy maintsy atao fotsiny io, tsy nandeha nitolona tsinona fa ho nandeha taxi-brousse nandalo an’iny toerana iny fotsiny. Saingy indrisy, ketraka ny lehilahy nahita ny vadiny sy ny zanany miady amin’ny fahafatesana. I Raivo hono, vao adiny iray izay no nahatsiaro tena ary tsy misy ahiana intsony ny aminy, fa i Jaona kosa nolazain’ny mpitsabo fa voa ny hozatra ka halemy, ary mbola ahiana ny ainy.

Nihatsara ihany ny fahasalaman’izy mianaka. Asa anefa fa, iray volana taty aoriana, nodimandry tampoka tao amin’ny hopitaly i Raivo.

18 taona taty aoriana, mbola samy velona aina Razily sy i Jaona. Velona fa mitsipozipozy. I Jaona nantenaina ho dimby hiankinana no nanjary vesatra hobabena mandra-maty, satria kilemaina tapa-tongotra ary malemy ihany koa ny tanana havanana. Re fa nahazo famotsoran-keloka indray hono ireo mpanao politika.

Tsy azo asiana komantera hono ity lahatsoratra ity fa mba mamelà an-dRazily higoka am-pilaminana androany…