Thursday, May 13, 2010

Raha toa moa ka … unstrip Poker

Tanora maromaro, lahy sy vavy milalao unstrip poker, ilay strip poker fa à l’inverse. Ohatra 5 lahy 5 vavy no anombohany. Ny fitsipi-dalao dia tsotra : manofa efi-trano iray, dia samy tsy misy miakanjo fa miboridana tanteraka amin’ny voalohany dia atomboka ny poker. Izay resy dia manomboka mampiditra tsikelikely ny akanjony, ohatra, resy in-1 lé sipa dia ampidiriny ny string, resy faharoa dia ampidiriny ny soutif, etsetra.

Izay mahatafiditra ny akanjony rehetra (izay hoe izay resy lava voalohany) dia mangoron’entana dia mody. Izay tsy mety resy kosa miboridana mihanjaka eo.

Rehefa tanora telo sisa no tavela dia efa akaiky ny fiafaran’ny lalao, ka izay resy voalohany amin’izy telo tavela ireo dia mangoron’entana (ny fitafy rehetra azy 3 tavela) sy manidy lakile ny efitra dia izay roa tavela manao izay ataony ao (kôpy elà) mandra-pahatongan’ny ampitso hamohana ny trano indray.

Alaivo sary an-tsaina izany hoe isan’ilay tsara vintana 3 tavela ialahy, dia isany ao koa lé sipa manja be reven’là be mihitsy, dia ny fahatelo bandy iray hafa advan. Ataon’là zany ze tsy haharesy an’là fa mba ilay advan no ho resy sy handeha hody. Izay no cas de figure tsara indrindra. Saingy raha toa moa ka … ilay sipa no hita taratra fa mitady ho resy foana, ka efa ny ba-kirarony sisa no tsy miditra, ny an’ialahy sy ilay bandy iray hafa anefa mbola zara raha mitafy. Ahoana no atao? Raha ilay sipa mantsy izany no resy dia bandy samy bandy nareo mihidy miboridana ao mandritra ny alina.

Manana safidy 3 ialahy.
1) Na ny poker no lalaovina madio, tsy misy kajikajy politika fa izay alehany any alehany, miandry ny fahatsapan-tenan’ny hafa eo.
2) Na mi-bluff, mody tara @ lé bandy 1 elà, dia hatahotra lery dia hi-sacre hoe tay be kosa raha bandy samy bandy no hihidy ato fa aleoko manao mody resy.
3) Na tsy ho zakan’ny sainlà ny hieritreritra hoe bandy samy bandy no ho tavela ao, dia ialahy no mi-sacra manao resy dia avelan’ialahy ho an’ny advan ny entana.

Raha toa moa ka …

Ho avy ihany no tohin’ilay série efa nampanantenaina ka.