Monday, October 11, 2010

Raha toa moa ka … dondrona noho ny V

Tany amin’ny fiandohan’ny volana febroary 2010 tany ho any aho dia nividy finday izay. Raha natao hoe maharitra 9 volana no ananako an’io finday io dia eo amin’ny 200 ar isan’andro eo ny amortissement-ny. Ankehitriny aloha izy dia mbola mandehandeha ratsy ihany, manondrana ny ôparlera ka rehefa misy miantso aho dia tsy mahare raha tsy atao “Mains libres” ilay izy.

Ankoatr’izay, misy menu “Torche” izay izy io, saingy tsy haiko mihitsy ny nandefa azy. Ny safidy dia hoe “Activer” sy “Desactiver” rehefa ao amin’io Torche io, saingy tsy mampirehitra ilay jiro LED kely mihitsy na inona na inona safidy atao. Nokarohiko ela ny handefasana azy fa e e e, angamba tsi-fetezana nandritra ny fanamboarana azy hoy aho.

Tian’i V ny milalao an’io findaiko io, indrindra rehefa eo am-pandriana eo izy, na dia vao 12 volana monja aza izy. 9 volana taty aorian’ny nahazoako azy, raha iny nomeko nolalaoviny iny ilay finday, dia gaga aho fa indro nirehitra ilay jiro kely. Fa ahoana hoy aho no nahaizan-dria nandrehitra azy ity? Noraisiko ilay finday, nokarohiko izay mety ho voatsindriny teo fa tsy hitako. I Smiley moa nahita izay fisehoan-javatra izay dia izy (5 taona) izay efa mahay miteny no nanoro ahy hoe ity bokotra ity no notsindriany ela be teo.

Hay kay ilay bokotra afovoany indrindra no tsindriana maharitra (eo amin’ny 4 segondra angamba), dia mirehitra ilay jiro, ary iny ihany no tsindriana maharitra dia maty ilay jiro. Fa ilay ary amin’ny menu hoe “Torche” dia mampandefa na tsia an’izay fonctionnalité izay fotsiny.

Misaotra akia ry zanako malalako, na indria no mahay be noho i Dada, na i Dada no tena sanàna be.

foza2pince.jpg