Tuesday, September 6, 2011

Raha toa moa ka … nasiako patanty ny teny hoe What If.

Fito aprily 2008, telo taona sy dimy volana lasa izay, navoakako teto amin’ny blaogiko fa nahazoako patent ny teny hoe What If koa na iza na iza mampiasa azy io amin’ny blaoginy dia mandoa Ariary aty amiko isaky ny misy mitsidika ny sehatra ampiasany an’io teny io.

Taorian’io fampitandremana io dia tsy dia nisy nampiasa tsy nahazo alàlana intsony io teny io, ka dia tsy nahangona mihoatra ny vent’s aho hatramin’izay.

Izao kosa dia toa efa mitady hitsiky ny vintana fa dia misy malagasy anankiray, mpamokatra mpihira (mpamokatra fa tsy mpihira raha azoko tsara), mampiasa an’io teny io amin’ny lohatenin’ny hiran’ity rappeur vokariny ity. Koa dia aleo aloha lancéna aminareo mpamaky ilay vazo sao mba halaza, fa raha malaza io dia ho avy any aminy aho haka ny dipany.

Ankafizo ary tompoko.

Preston no anaran’ny mpanakanto, What If no lohatenin’ny hira, gadona rap.

Raha sanatria tsy mandeha ity, dia any amin’i babyface indray aho no handom-baravarana hitaky hetra.

PS: hevitra milay ilay resaka patent io an, anontanio anie ry Apple sy Google ary Motorola e!

Vita tompoko.

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment