Monday, May 2, 2011

Lahatsoratra special

Hanambady hono Rakotojombilo ka hampakatra an-dRamatoa Razafindravidaka. Toy ny fanaon’ny olona dia hoentina hamasinina any am-piangonana ny fanambadiana, fa ny olana kely dia tsy mahalala izay atsimo sy avaratra amin’izany fivavahana sy baiboly na andriamatoakely na ramatoakely. Dia natoron’ny mpiara-mandihy hoe misafidy andinin-tSoratra Masina mahakasika ny fanambadiana na ny fitiavana hotorian’i Pasitera.

Dia noraisina ity baiboly izay toy ny mbola vaovao be ny tao anatiny na dia efa nananana teo foana aza io, fa fanomezan’ny fiangonana ny Rain-dRakotojombilo sy ny vadiny voalohany fony izy ireo nivady tany am-piangonana, 23 taona lasa.

Natao tsato-piso ny fanokafana azy, rehefa avy nikôzy an’i Tompo hoe mba omeo sopapa milay amin’izay mendrika amin’izao andro iray izao, dia mba ataovy misy ifandraisany amin’ny resaka fanambadiana izay voatondron’ny rantsan-tànako ato.

Vao nosokafana sy novakiana ilay Boky, dia resaka momba ny fanambadiana tokoa no sendra azy tao, Hosea toko voalohany andininy faharoa, tapany faharoa :

“Andeha ianao maka vady izay efa tena janga sy zanaky ny fijangajangana; fa fatra-pijangajanga miala amin’i Jehovah ny tany.”

Ohatry ny tsy mety, hoy izy, fa marina fa janga sy zanaky ny fijangajangana ikala Razafindravidaka, saingy vazivazy ratsy ity.

Nakombona indray ilay Boky, dia noverenana nosokafana tany amin’ny pejy hafa ka sendra ity andalana ity :

“Andeha, aoka isika hivoky fitia ambara-pahamarain’ny andro, Aoka ho feno fahafinaretana amin’ny fitiavana isika.”

Tsara noho ilay teo fa manalasala, aleo vakiana tsara aloha ny andininy rehetra :

“Fa teo amin’ny varavarankelin’ny tranoko, Dia teo amin’ny makarakara, no nitsirihako,

Ka nahita anankiray tamin’ny kely saina aho, Eny, nandinika ny tovolahy aho ka nahita zazalahy anankiray tsy ampy saina,

Izay nandeha tamin’ny làlana akaikin’ny zoron-tranon’ny vehivavy janga Sy nizotra nankany an-tranony,

Nony takariva ilay somambisamby iny Sy tamin’ny alina efa maizina dia maizina.

Dia, indro, nisy vehivavy nitsena azy Sady manao fitafin’ny janga no mifetsy am-po,

Sady vavàna no maditra, Tsy mahajanona ao an-tranony ny tongony;

Fa vetivety mby eny an-dàlambe izy, ary vetivety mby eny an-tsena, Ary mamitsaka eny an-joron-trano rehetra eny izy.

Ka dia nisavika ilay tovolahy izy ka nanoroka azy Sady nisolantsolana taminy ka nilaza hoe:

Efa nivoady hanatitra fanati-pihavanana aho; Ary andro-any no nanefako ny voadiko.

Koa dia nivoaka hitsena anao aho, Mba hitady fatratra ny tarehinao, ka dia nahita anao tokoa.

Ny fandriako efa nasiako firakotra tsara, Dia lambam-pandriana misoratsoratra voafoly hatrany Egypta.

Efa norarahako zava-manitra ny fandriako, Dia miora sy hazomanitra ary havozo manitra.

Andeha, aoka isika hivoky fitia ambara-pahamarain’ny andro, Aoka ho feno fahafinaretana amin’ny fitiavana isika.

Fa tsy ao an-trano ny lehilahy, Fa lasa nivahiny lavitra izy;

Ny kitampom-bola dia nentiny any an-tànany, Ka tsy mbola hody izy mandra-pahafenon’ny volana.”

Anatra ho anao mamaky io sady devoara à la maison, mandehana mitady baiboly dia sokafy ka vakio ny Ohabolana fahafito, ny andininy rehetra, ary mba saintsainonao.

Tapitra.

Monday, April 11, 2011

Raha toa moa ka … tsy M

Nanokatra bizna iray vaovao izay aho, vao volana vitsivitsy izay. Na dia mitsikaraka manao asa roa mirazotra eo aza aho dia mbola tsy ao anaty teti-bola aloha ny maka assistant(e) hatramin’izao, satria ny tanjona dia ny mba hanome tolotra mora sy zakan’ny besinimaro, ka ferana arak’izay azo atao ny fandaniana rehetra. Rehefa misy ny olona maniry hividy amin’ny tolotra dia manahirana kely ny fakàna vola satria aty ambanivohitr’Antananarivo ny tena no monina, ary manenjika mifanao fotoana amin’ireo mpanjifa any amin’izay misy azy ireo.

Eo amin’ny fivoaran’ny teknolojia anefa, dia azo atao tsara ny manao fifampiraharahana tsy mila mihaona, satria ny zavatra amidy resaka virtoaly (login sy mot de passe no omena dia basy), ary ny fandoavam-bola dia mba efa miezaka miditra ao amin’ny tontolo eto ny M-paiement, na fandoavam-bola amin’ny alàlan’ny finday. Noresena lahatra arak’izany ny mpanjifa sasany mba handoa vola amin’ny alàlan’ny teknolojia vaovao.

Misy 3 ny tolotra m-paiement eto Madagascar, Mvola ny an’ny telma, Orange Money ny an’ny Orange ary Airtel money ny an’ny Airtel. Samy natonina ireo mba hanokafana kaonty tsirairay avy. Zavatra kely no mba notakiako tamin’i Orange: hoe mba misafidy ny marika 7 farany amin’ilay laharana finday aho, saingy valin-teny tsotra koa no azoko: mankanesa aty amin’ny foibe dia mifampidinika. Ny Airtel indray, vao avy nanao résiliation an’ilay abonnement postpayé aho fa hivadika hanjifa Blueline Phone ato ho ato (raha vao mandeha eo ny Blueline TV dia miditra amin’ilay tolotra Triple Play aho), ary ilay puce vaovao dia nasaiko nasiana Airtel Money. Saingy malahelo kill koa angamba ny Airtel ka dia suspendu aloha ilay laharana teo aloha, ary miandry (efa ho herinandro izao) ny handefasany indray an’io laharana efa mahazatra io aho ankehitriny.

Ny tao amin’ny telma kosa dia nandeha tsotra ny fanokafaka ny kaonty Mvola. Hita rahateo ny fahamatorana satria ny azy irery no manana ny site web manokana ny tolotra Mobile Payment, ary hita tsara ao daholo ny fampahalalana karohina rehetra (sarany, mombamomba ny fampiasana azy, …)


Envoyer de l’argent avec M-vola est tout sauf simple, c’est compliqué et … c’est pas instantané.

Faly ery nahazo ity puce vaovao misy marika M, midika fa afaka mampiasa ny tolotra M-vola amin’izay ny tena. Nisy ny mpanjifa nanaiky hampiasa m-vola ka dia nasaina nalefany ary ny S. Fa teo vao niseho ny haratsian’ity tolotra M-VOLA an’ny Telma ity.

Voalohany : Ilay mpanjifa nandefa ny vola, tsy mahazo hafatra (SMS) fanamarinana hoe lasa ny vola na tsia. Ny mijery ny solde an’ny kaonty anefa misy sarany (afa-tsy ny voalohany mijery ihany).

Faharoa : Izaho andefasana ny vola tsy mahazo sms fanamarinana hoe tonga ny vola. Rehefa idirana ny menu dia hoe tsy autorisé, nisy erreur, …

Fahatelo : Niantso ny laharana manokana natokana ho an’ny mpanjifa Mvola, tsy mahazo alàlana hiantso azy ihany koa.

Fahefatra : Niantso tamin’ny finday telma hafa, dia nambara tamiko fa période de réception ny Telma mobile-ko, ka dia izay no tsy ahafahako miantso na ny service clientèle, ary mihantona torak’izay ihany koa ny Mvola amin’ny findaiko, ka tsy afaka mahazo mandray M-vola aloha aho raha tsy mampiditra kely.

Fahadimy : Io antso service clientèle io kay andoavam-bola.

Fahenina : Vetivety kely kay dia lany ilay période ahafahana mandefa antso amin’ny telma.

Fehiny: raha ohatra aho izany ka te hampiasa M-vola, dia mila mampiditra fahana aloha. Dia raha amin’ny 12 alina aho izany no misy urgence, ka te hiantso laharana iray, tsy telma ohatra, ka période de réception, dia tsy afaka mividy fahana amin’ny alàlan’ny Mvola ve satria mihantona ilay Mvola, fa mila mandeha mivoaka aloha mitady mpivarotra 2 Toi à Moi asiana crédit démarrage kely ohatra hoe 200 Ar? (Raha misy ambinambiny ny crédit ao fa tsy azo iantsoana dia azo atao ihany koa ny mividy jours de validité, 200Ar ny 1 andro).

Fotaka ny tolotra Telma, Ratsy ny Mvola, tsy mahavaha olana ny M-vola fa vao mainka mitondra olana, koa dia izay aloha no aspect tsara eritreretinao vao miroboka mamporisika ny olona hampiasa azy. Ilay site-ko amin’io efa voaomana ny mise à jour miaraka amin’ny dokambarotra maimampoana be hampiasa Mvola; izao voatery hofafana indray ireny na hosoloina hoe tsy manao Mvola izahay fa vakio ity blaogy ity raha te hahalala ny antony.

Tssssssss, bandes d’amateurs.

Tuesday, March 29, 2011

Raha toa moa ka … manenjika akoho

Ho antsika izay mitaiza bandy kely dia tsara raha mba zarina mikotrana matetika ihany ireny zanatsika ireny andrao dia malemy valahana. Hevitra iray azo atao ohatra ny miara-milalao fanenjika amin’ny boaikely, afaka asaina manenjika akoho ihany koa ry lehirony.

Kotrana manenjika akoho

Raha manao ala safay ilay kotrana anefa ny boaikely dia tsara raha mba saziana kely izy, hahatsapany fa soa ho azy ny manao fanatanjahantena fa tsy hoe zava-poana io akory. Sazy afaka omena azy raha tsy azony ilay akoho nasaina nenjehiny dia ampanaovina paompy izy.

Manao paompy izay tsy mahaenjika akoho

Raha tsy mahavita paompy roapolo dia ampanaovy seza rivotra indray.

Seza rivotra dimy minitra
Sary nalaina tao amin’i Facebook.