Friday, March 4, 2011

Raha toa moa ka … tsy te ho FAT

Anisan’ny mba mahafinaritra ahy ny mijery arsivan’ny resaky ny mpiserasera amin’ny internet tamin’ny taon-dasa ohatra. Ary satria moa ny zanak’i Dada no tena betsaka wawawa eto, dia ry zareo no tena tratran’ny resaka mampihomehy matetika. Ohatra iray, androany izy mivavaka amin’i Simao fa rehefa voafelak’i Simao avy teo tonga saina indray hoe fa voavidy ary ve ilehitia sa ahoana. Ity koa misy iray hafa reveko, filazana fa tsy manome reconnaissance an’i Andry Rajoelina ny filohan’ny UA. Ny mampihomehy dia ilay commentaire fanatique sasany izay manao interprétation an’ilay sary. Kay aty aoriana rehefa miseho fa ratsy indray i Qadaffi dia lazaina fa akaman’i TGV iny.

Mialy Rajoelina - Lalao Ravalomanana, illustration tsy misy ifandraisany amin'ny resaka
hihihi

  • Tena mba voafitak’i Zilibera kosa lesy aho ry Dôty tamin’ity anarana hoe Fahefana Avon’ny Tetezamita ity. Tena tsoriko lesy fa tsy reviko mihitsy ilay antsoin’ny mpanohitra hoe FAT, sady izay na amin’ny teny malagasy na amin’ny teny frantsay dia hain-dry lerony foana ny manao izay hivoahan’ilay titre haneno toy ny hoe faty. Président de la HAT lasa PHAT azo vakiana hoe faty satria PH mivaky f. Tssss.
  • Ka maninona Andriamatoa Filoha raha ravaina ny Andrim-panjakana io dia manangana vaovao dia soloina ny anarany…
  • Misy anarana tsaratsara sy metimety ve any anefa.
  • Ie, tokony hatao tsara faneno ilay hoe revolution orange nitranga teto tamin’ny taona 2009 ireny, dia ilay titre-nao soloina hoe GSRM, izay tsara faneno toy ny GSM, mba hiaka farany e!
  • GSRM, mety tsy voavadiky ry lehirony ho ratsy endrika izany an, fa inona no fanalavàna azy?
  • Guide Suprême de la Révolution Malgache. Satria ianao no ni-cristalliser an’ilay révolution tamin’ireny rapport de force nivaivay ireny.

Monday, February 21, 2011

Z’enfants, j’ai raté l’avion

Raha izaho indray aloha an, tsy mba hanaiky ny hiray fiaramanidina amin’Andriamatoa Filoha Marc Ravalomanana izany raha izaho. Raha tamin’ny asabotsy teo izao ohatra aho no hoe isan’ilay mpandeha tamin’ilay zotram-piaramanidina voalohany saika hitondra azy hody an-tanindrazana, ary raha toa ka nanaiky ny hodiany ny fitondrana tateza-mita teto an-toerana sy ny manampahefana tao Afrika Atsimo, dia izaho no ho nanao scandale be ary tsy nanaiky ny hiakarany an’io fiaramanidina io, tsy maninona fa ho nobabeko ny alahelon’ireo rehetra tia an’i Dada aty Madagasikara fa dia izaho mihitsy no ho nisakana azy tsy hiditra tao amin’io fiaramanidina io.

illustration: jaquette DVD du film Maman, j'ai raté l'avion

Asa raha tsaroanareo, efa fotoana elaela ihany izay, fony mbola mpitondra somary mamim-bahoaka ihany ny Filoha Ravalomanana, niharan’ny accident ny hélicoptère nitondra azy mivady sy mpikambana vitsivitsy tao amin’ny governemanta tamin’izany. Tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra tamin’io fa satria vao hanainga ilay hélico no nitontom-body tamin’ny tany. Izay no vaovao ofisialy nampahafantarina antsika mpanara-baovao, fa ny tsiambaratelo sy tena nitranga dia izao haposaka aminao manaraka izao.

- Eo leisy mba hoentiko kely ity angidim-by ity, hoy ny Filoha tamin’ilay pilote; fa tena tsy ary mba ni-pilote an’itony zah!
- Ka he izy izany, Andriamatoa Filoha, tsy ary mbola nitondra ianao koa sao iharan-doza eto isika fa tsy kilalao anie ity fa ny aina no manefa raha …
- Efa nitondra aho leisy, fa tamin’ny Flight Simulator, ary tena mahay an’io aho fa inona no atahoran’ialahy? Mitondra firenena aza haiko ka izay hélico ve? Apetraho ambany dia mialà ialahy hanandramako azy.

Tsy naharesy dohika ilay pilote sady fanampin’izay koa voarahona ny horoahina sy hanaovana antsojay dia nanaiky ihany, ka nanao toy ireny moniteur ireny izany mba manorotoro sao sanatria.

Dia iny hitantsika iny ny niafarany fa vao saika hanainga ilay hélico dia nidaraboka tamin’ny tany. Koa tsy maninona na holazainareo zanak’i Andry Rajoelina aho na TGV hatrany amin’ny tsinaimaintiko na inona koa, fa raha izaho no efa ao anaty fiaramanidina ka hoe hampidirina ao koa Rangahy io dia izaho no hisakana azy ary tsy hanaiky hatramin’ny farany aho. Lahitokana ny aina ko’aaah!

Monday, February 14, 2011

Raha toa moa ka … ADOLANTSENTO [doka]

Amin’izao andron’ny mpifankatia izao dia azo atao ihany koa ny manolotra boky ho an’ny sipa na vady. Misy boky iray tena mbola mikarepoka be ity, amboaran-tononkalo nosoratain’i Hobiana. Tandremo anefa fa natokana ho an’ny zatovo sy olon-dehibe mihoatra ny 13 taona izy ity ka raha mbola 12 taona na latsaka ny sipanao dia aleo CD Justin Bieber no omena azy.

Azo raisina ao amin’ny RARIHASINA, biraon’ny HAVATSA UPEM, rihana voalohany manomboka anio.
Alatsinainy - Alakamisy - Zoma: 9ora - 12ora
Talata - Alarobia: 2ora - 5ora
DEDICACE : Sabotsy 19 febroary amin’ny 9ora 30mn – 12ora ; 2ora – 4ora 30mn
Sarany :Ar 6000 (promo)