Friday, March 4, 2011

Raha toa moa ka … tsy te ho FAT

Anisan’ny mba mahafinaritra ahy ny mijery arsivan’ny resaky ny mpiserasera amin’ny internet tamin’ny taon-dasa ohatra. Ary satria moa ny zanak’i Dada no tena betsaka wawawa eto, dia ry zareo no tena tratran’ny resaka mampihomehy matetika. Ohatra iray, androany izy mivavaka amin’i Simao fa rehefa voafelak’i Simao avy teo tonga saina indray hoe fa voavidy ary ve ilehitia sa ahoana. Ity koa misy iray hafa reveko, filazana fa tsy manome reconnaissance an’i Andry Rajoelina ny filohan’ny UA. Ny mampihomehy dia ilay commentaire fanatique sasany izay manao interprétation an’ilay sary. Kay aty aoriana rehefa miseho fa ratsy indray i Qadaffi dia lazaina fa akaman’i TGV iny.

Mialy Rajoelina - Lalao Ravalomanana, illustration tsy misy ifandraisany amin'ny resaka
hihihi

  • Tena mba voafitak’i Zilibera kosa lesy aho ry Dôty tamin’ity anarana hoe Fahefana Avon’ny Tetezamita ity. Tena tsoriko lesy fa tsy reviko mihitsy ilay antsoin’ny mpanohitra hoe FAT, sady izay na amin’ny teny malagasy na amin’ny teny frantsay dia hain-dry lerony foana ny manao izay hivoahan’ilay titre haneno toy ny hoe faty. Président de la HAT lasa PHAT azo vakiana hoe faty satria PH mivaky f. Tssss.
  • Ka maninona Andriamatoa Filoha raha ravaina ny Andrim-panjakana io dia manangana vaovao dia soloina ny anarany…
  • Misy anarana tsaratsara sy metimety ve any anefa.
  • Ie, tokony hatao tsara faneno ilay hoe revolution orange nitranga teto tamin’ny taona 2009 ireny, dia ilay titre-nao soloina hoe GSRM, izay tsara faneno toy ny GSM, mba hiaka farany e!
  • GSRM, mety tsy voavadiky ry lehirony ho ratsy endrika izany an, fa inona no fanalavàna azy?
  • Guide Suprême de la Révolution Malgache. Satria ianao no ni-cristalliser an’ilay révolution tamin’ireny rapport de force nivaivay ireny.
  1. simp

    Friday, March 4, 2011 - 20:26:29

    mba ataovy an’le sarin’i mialy manjamanja mampiseho ranjo ireny lesy fa kivy tampoka ny mpamaky ra izao atao decoratio eto a…

    ;-)

  2. avylavitra

    Friday, March 4, 2011 - 20:37:08

    Tena voan’ialao Ravalomanana kosa aloha ny endrik’i Milay Rajoelina eto e

  3. DotMG

    Friday, March 4, 2011 - 21:29:44

    ^ ^

    Azoko ilay tian’i simp holazaina fa bediny za raha mamoaka an’ilay sariny ohatr’ireny. Ny sarin’i vadin’i Dada manao bikini eny amoron-tsiraka zao no misy ao fa iny sahiko avoaka raha misy mi-assuraka hoe tsy ho tafody intsony i Dada.

  4. DotMG

    Friday, March 4, 2011 - 21:45:45

    simp: fa zaran’lah koa tsy sarin’i terezy sy selinina no navoakako teo, koa mba mahaiza mionona amin’izay ananana dia misaora amin’ny zavatra rehetra. Amennnaaaaa.

  5. simp

    Monday, March 7, 2011 - 22:46:37

    lol
    ovaina fotsiny ny titra dia sa va ka: raha moa ka te ho faty ^:^

    fa i terezy kosa anie tsara tarehy fa izy efa antitra sy hoe somary mainty fihodirana fotsiny dia otran’ny tsy hita le izy ee…

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment