Monday, May 7, 2012

Raha toa moa ka … tsy nihaona tamin’ny minisitra

Nisy fandaharana izay tamin’ny fahitalavitra taloha, irony mpitsindroka izay mbola azo avadika chiffres eny amin’ny fako irony no natao interview. Mahavelona ve ity mitsindroka zôridira ity, hoy ny mpiasan’ny fahitalavitra manontany. Dia izao no valiny: indraindray mba ahazoana ihany, tapak’andro mety mahafeno arina tapa-gony izahay, indraindray kosa dia zara raha mahazo, ary misy aza fotoana dia fatiantoka no hita. Dia talanjona izahay hoe ahoana moa no fipetrak’ilay hoe mahita fantiantoka amin’io asa mitsindroka io?

Fampidirana kely izay fa izao no resaka: namonjy mariazy izay izahay tamin’ny asabotsy teo. Tetsy amin’ny EKAR Masindahy Josefa Mahamasina no natao ny fanamasinana. Dia i Madamako efa manahinahy ny mpanendaka fa hoe malaza misy manendaka eo amin’io toerana io, ka dia nanaraka akaiky azy mihitsy aho mandra-pahatafiditra tao am-piangonana. Dia nandeha ny lamesa, tsy fianakaviana moa ity nanasa fa namana mpiara-mianatra tsy mifankafoy, ka somary vahiny ihany amin’ity toeram-pivavahana ity. Nipetraka teo afovoamboany teo, taty aorian’ny mpanotrona hafa, ary mbola nisy hafa nipetraka tao aorianay.

Nandritra ny fivavahana, dia hozy Madama tamiko : misy olona masiso be tsy misasa ao aoriana ao izany, nefa izy tsy sahy nitodika nijery ilay olona tao aoriana. Nefa hono nahasorena azy mihitsy ilay olona fa sahala amin’ny mitankisinkisina aminy. Vetivety teo, nanjavona tsy hita ny poketrany, ary ilay olona tao aoriana nolazaina nasiso tsy hita trace intsony ihany koa. Teo vao saina tonga fa hay mpangalatra miditra anaty fiangonana izany ilay olona teo.

Fa izao, lambakely fanadiovan-kiraro no tao anatin’ilay poketra, maquillage efa tontan’ny ela sy lokomena dia izay, ny raha misy vidiny toy ny vola, finday, karatra sy ny sisa efa nomeny ahy vao maraina, ka nampieritreritra ahy ilay fampidirana teo hoe dia fatiantoka izany no hitan’ilay mpangalatra raha atao ny kaonty.

Dia tsaroako koa ity hatsikan’i Francis Turbo eto ambany ity, izay nahatonga anay hamorona oha-pitenenana hoe : “Tay ity hoy ilay nihaona tamin’ny minisitra”, ary dia izay ihany koa no nahatonga an’io lohateny io. Raha nampoiziko hisy hilaiso aza ilay poketra, couchen-jaza avy nampiasaina na serviette hygiénique no natao tao …

=======
Last saturday, me and my wife were invited to the wedding of a classmate. At the church, someone (a woman and a girl), sitting behind us, stole my wife’s pocket. Fortunately, there weren’t anything precious inside. But anyway, I’d wish we’ve put a used diaper inside, just to have some pleasing feelings when thinking of the persons who stole it when they would open the pocket, expecting moneys, telephone, …

The video is a Malagasy sketch about a guy who puts shits inside one of his wallets for thieves and the real documents inside another. He usually carries the two wallets, wishing that one day, someone would steal the one containing shits. Unfortunately for him, one day he has a meeting with the ministry, and he did carry the wrong wallet, and when he opened the wallet, all he could say was “Shit!”.

When we first heard this sketch, we used the longer and more poetic sentence “Shit, like the guy who went to meet the ministry said” each time we would just say “Shit!”.