Monday, September 24, 2012

Raha toa moa ka … homamiadana ny fivavahana

Hiasa aty an-drenivohitra hono ikala Jeannine, atao an’izay ny anarany aloha fa izay no efa malaza. 18 taona izy, hanao mpanampy amin’ny raharaha ao an-tokantrano kanefa tsy mbola niasa mihitsy. Ny fepetra avy any amin’ikala Jeannine dia hoe tsy maintsy mandeha mivavaka.

Faly ireto mpampiasa vaovao fa hoe mba zazavavy mpivavaka no hiasa ao amin’izy ireo, midika mantsy izany fa olona madio fanahy, tsy mangalatra, azo itokisana, misokatra saina, hendry, mazoto, tsy ho variana amin’ny fanaovana sipa, tsy dia ambasadôra be loatra amin’ny manodidina …
Misy indro kely fotsiny: tsy mitovy ny ankolafim-pinoana, tsy tena mifanipaka ihany koa anefa fa samy Kristianina. Mifanipaka ihany koa anefa fa ilay fiangonana Kristianina tsy mahazo miditra amina fiangonana hafa ankoatry ny ankolafiny ry ikala Jeannine, ilay hoe na misy mariazy na faty na inona na inona dia tsy handingana ny tokonam-baravaran’ny fiangonana hafa mihitsy, na havana akaiky aza. Fa tsy maninona, nikarohan’iretsy mpampiasa fiangonana iray ankolafy aminy izy dia nalefa hivavaka tao.

Izay eo ihany, fa hay itony mpivavaka itony tsy dia hoe mora entina araka ny maha-mpivavaka azy. Mpampiasa be filirony ireto mpampiasa ka tsy maintsy manao aron’akanjo ny mpiasa mandritra ny ora rehetra hanaovany ny asany. Fa ikala Jeannine tsy nanaiky hanao an’ilay aron’akanjo mihitsy a, mahamenatra azy hono ny manao an’ilay uniforme. Ary rehefa tsy mifanaraka amin’ny sainy ny azy dia tsy hanao mihitsy izy, asa, sao bedin’ny Tompo angaha… Atoro ny fomba fanaovana ny raharahany ikala Jeannine fa e e e, izay tiany ihany io.

Lasa ny iray volana, noroahin’ny mpampiasa izy fa tsy nahafa-po ny asany, tsy nisy fivoarana hita sady manomboka be loha fa tsy maintsy mivavaka ihany koa ny andavanandro amin’ny maraina, ka in-telo isan-kerinandro no mivoaka mandeha mamonjy fotoam-bavaka ankoatry ny alahady. Tampoka taminy anefa ilay fandroahana, ary nilaza ny tena tamana sy maniry hijanona hiasa izy fa hiova. Saingy ireo mpampiasa efa nampanafatra solony ka dia tsy nanaiky fa dia nanatitra azy hody any an-tanindrazany.

Ny alahady hariva, inty zatovolahy, vao jerena amin’ny endriny dia fantatra hoe iray ankolafim-pinoana amin’ikala Jeannine, tonga nandondòna hitady azy hono, gaga fa ny herinandro tsy tonga nivavaka intsony izy sady tsy tonga koa ny alahady, ka sao hoe narary. Dia nohazavain’ireto mpampiasa fa efa naterina any ambanivohitra izy ary tsy hiverina intsony. Rehefa nandeha ny resaka, izay vao nazava ny antony tsy naneken’ikala Jeannine hanao aron’akanjo, fa hay moa izy ity ao am-piangonana ka milaza fa zana-drahavavy kamboty vao haingana ary vao nifindra aty amin’ny rahavavin-dreniny.

Hay moa izany tsy dia ny hiasa sy hitady vola loatra no antony niakaran’ikala Jeannine aty an-drenivohitra fa ny hikaroka taolan-tehezana. Saingy ilay ankolafim-pinoana tsy mamela fanambadiana afa-tsy amin’olona ao anatin’io ankolafim-pinoana io ihany, ny bandy any an-tanàna anefa tsy dia misy antenaina firy amin’ny ho avy milay. Dia ny hiakatra amin’ny fomba rehetra no paika, hitady toerana misy fiangonana azo ahitana vady.

Saika ny ankolafim-pivavahana rehetra dia isehoan’io endrika io: na ilay fivavahana no mandrara ny olony tsy hikambana amin’ny “tsy mino”, na ny fiaraha-monina no manasarotra ny fikambanan’ny olon-droa tsy mitovy finoana, ka ny fivavahana izay andrandraina ho mpampiray indray no lasa manasaraka ny fo roa te hiray.

...

Hoy i Nakoula Basseley Nakoula: “L’Islam est un cancer”. Tsia, tsy dia izay loatra fa ny fivavahana sy ny finoana rehetra no rehefa tsy mandeha amin’ny tokony ho izy dia mitarika fampijaliana ny mpino, manavesatra ny fiainan’ny mpivavaka. Rehefa tsy Andriamanitra no mitarika an’ilay fivavahana fa olona na vondron’olona vitsivitsy.