Wednesday, January 30, 2013

Mandefa torrent blueline

Anisan’ny resaka miverimberina matetika ao amin’ny forum blueline ny hoe manakana ny fanaovana torrent ny blueline satria amin’ny alina be vao mba misokatra ny torrent. Ny valiny averin-dry zareo ao amin’ny blueline dia hoe tsy manakana ny torrent ry zareo. Marina ny azy. Efa fotoana elaela ihany nanazavako ny fandehan’io sakana io, izay raha averina tsotsotra dia hoe tsy ny blueline no manakana ny torrent fa ny tracker. Tsy tian’ny tracker hoe adresse IP iray kanefa manao requête maro loatra ao aminy, fa dia kilasiany ho mpisompatra avy hatrany io adiresy IP io, ary bahanany tsy mahazo mampiasa azy mandritra ny fotoana voafetra. Ny tracker anefa ilaina mba hahafahan’ilay rindrankajy torrent mahafantatra hoe aiza sy aiza no misy mpampinono azo hotsentsafina.

Ny olana iray miseho amin’ny torrent ihany koa dia hoe tsy mety mandeha ny port forwarding. Mba hampisosa kokoa ny fandehan’ny fampiasana torrent, dia mila port anankiray misokatra eo amin’ny machine-nao mba ahafahan’ny tracker sy ny mpinono hafa mahalala hoe atsy misy mpampinono anankiray. Ny port dia toy ny varavarana azo dondomina, ka rehefa ilaina ianao dia dondomina, dia mampandroso. Noho ilay adiresy IP itambarana anefa, dia tsy afaka anokafana port mankamin’ny solosainan’ny mpanjifa ilay adiresy IP any amin’ny mpaninjara fifandraisana. Ny hevi-diso amin’ny mpanjifa dia ny mieritreritra fa hoe ny sortie an’ilay box 4G iny dia tonga dia mifandray amin’ny internet. TSIA. Mifandray amin’i Blueline iny, ary Blueline avy eo no mampifandray azy amin’ny internet, izany hoe ny port azonao sokafana dia eo anelanelanao sy Blueline, nefa ny port afaka dondomin’ny mpampiasa torrent any amin’ny internet dia ilay any amin’ilay adiresy IP, eo anivon’i Blueline. Mbola misy làlana anankiray ao elanelam-panahy tsy mampety ny fifandraisana miverina. Ny fifandraisana mandroso ihany no mety, izany hoe ianao mandondona varavarana any amin’ny internet, dia ampandrosoiny dia tontosa ny fifandraisana, fa ny fiifandraisana miverina dia tsy mety mihitsy (izy no handondona anao).

Ny sasany amin’ny tracker, rehefa hitany fa tsy manokatra port ianao, dia toy ny mpinono tsy mety hononoina no dikan’izay, koa tsy isan’izay mpanjija ankafizina. Dia mety mahatonga an’ilay blocage ihany koa io.

Raha ny hevitro manokana dia tsy tsara anaovana torrent mihitsy ny connexion sans fil. Ny antony dia satria amin’ny maha-takalom-patsa vidim-pihinanana an’ilay torrent (tsy tokony ho mpinono foana ianao fa mba mampinono koa indraindray), dia raha maka 1Go amin’ny internet ianao amin’ny torrent dia tokony mba mampinono 1Go ihany koa, raha ny lojika, izany hoe mandefa données 1Go avy ao amin’ny solosainanao mankany amin’ny internet. Amin’ny fandefasana données anefa dia ny box 4G no émetteur, koa heveriko fa tsy dia tsara loatra amin’ilay connexion sans fil raha dia maro loatra no émetteur mandefa données ngezangeza ihany amin’ny fotoana mitovy. Tsara mba ho any amin’ireny connexion misy fil ireny no tena hampiasàna torrent. Hevitro manokana izay.