Tuesday, May 14, 2013

Mora manadino

Tao amina tokantranona havana somary akaiky aho. Samy handeha hifidy hono ry zareo. Dimy mianaka izy. Tsy mitovy ny mouvances. Ny 4 amin’izy ireo hono hifidy an’i Neny, ny iraika lahy resy lahatra amin’i Andry Rajoelina dia handrotsa-bato ho azy. Ny 4 amin’izy dimy mianaka dia samy manana kaonty facebook, ny 3 mi-j’aime an’izay momba an-dRavalomanana ary ilay iraika lahy koa etsy an-daniny tsy menatra mihitsy mampiseho ny fanohanany an’i Andry Rajoelina.
Tsy misy mifampila kisa, ary ny politika tsy miteraka fifamaliana na teny mahery na fifanarabiana eo amin-dry zareo. Ny mpomba an-dRavalo tsy manafoza an-dRajoelina, ary ilay mpomba an-dRajoelina ihany koa mangingina rahateo fa vitsy an’isa.

Tsy vitsy ny tokantrano na fianakaviana miaina toa an’io. Tsy toy ny taloha hoe mira fijery ka rehefa miresaka politika dia toy ny chorale mihira, miara-manamafy ny fanohanana ny kandidàn’ny fianakaviana sy milaza ny faharatsian’ny kandidà mpifaninana. Tazomina ao am-po ao ny fanazavan-kevitra sy ilay anton’ny faharesen-dahatra, fa sarobidy loatra ilay rohy maha-mpihavana ka sanatria sao hosimbain’izay fifanazavan-kevitra ara-politika. Kanefa kosa samy malalaka mampahafantatra an’ilay kandidà tohanany, fa ny fifanaovana propagandy no tsy misy.

Ankoatry ny kisary mety hahafinaritra anao mahita izany fianakaviana izany mitandro ny fifankatiavany, dia toe-javatra mampalahelo kosa no misongadina amin’ny fijeriko. Malahelo ny fireneko aho mahita fa taorian’izay nataon’ny Filoha Ravalomanana sy ny Filoha Rajoelina teto amin’ny firenena, sy manoloana ny isan’ny kandidà 41 hisafidianana amin’ny fifidianana ho avy izao, dia mbola mahazo vato ihany i Lalao sy Rajoelina. Izay rehetra fahotana sy zava-doza nataon-dRavalomanana fony izy teo amin’ny fitondrana dia nofafan-dRajoelina tao anatin’ny efa-taona, ka ny vokatry ny fanonganam-panjakana niseho, rehefa atao ny kajy, dia namerina ny fahadiovan-dRavalomanana, ary namotsy azy ho masina kokoa noho ny teo aloha aza.

Raha nifidy Ravalomanana ny vahoaka Malagasy tamin’ny 2001, tao ny tena resy lahatra, tao ny sodokan’ny maha-FJKM azy, fa maro kosa ny nandrotsa-bato ho azy satria izay aloha no lalana tokana nahafahana nanilika an-dRatsiraka izay tsy mety ho leon’ny fitondrana ny firenena. Raha nifidy Ravalomanana ny vahoaka Malagasy tamin’ny 2006, nihamaro ireo resy lahatra, nisy kosa ny nahita fa tsy nisy azo nianteherana ireo kandidà hafa mpifaninana aminy, ka aleo lavitra mihafy amin-dRavalomanana, toy izay hanome fahefana ireto mpifanandrina efa fantatra fa tsy ho tsara noho izy.

Tsy naharitra ela anefa izay fihafiana izay, fa vao nisy olona iray afaka nametraka ny tenany ho olona manana ny herijika afaka hanozongozona an-dRavalomanana dia marobe no nanoina ny antso, nanome karatra mavo izay nivadika ho karatra mena fotoana vitsy.

Saingy ankehitriny, adino ireny. Mandehàna ianao manazava amin’ireo mpomba an’i Neny momba ny bois de roses tratran’i Commandant Charles tany amin’ny entan-dRavalomanana fony vao niantomboka ny tetezamita, fa hainy tsara ny mamaly anao hoe tsy mpanao aferana bois de roses zany i Dada na ny zanany. Mandehana hazavao ny fanimbàn’ny detaxation ny fihariana malagasy fa tsy hino fotsiny anao izy. Mandehana milaza ny fibodoana ny seha-pihariana nisy, dia hovaliana ianao hoe izahay nihinana sy niasa tamin’ny andron’i Dada.

Raha ny mpomba an-dRajoelina moa no ezahinao hiadiana hevitra hilazana ny faharatsiany dia izaho no mametra-panontaniana hoe sao dia ianao te hanazava aza no mitapy mbola te hidi-bingo amin’izany

Teto amin’ny tantaran’ny firenena, dia inoako fa ny fifidianana tamin’ny taona 2001 no fifidianana hany mba hendry nataon’ny mpifidy, ary ny vanim-potoana 2001-2006 no hany mba nisian’ny zavatra tsara teto amin’ny firenena.

Akory atao fa dia efa azo tsinjovina aloha, na dia tsy mpaminany aza ny tena, izay ho avin’ity firenena ity.

Ho lany i Lalao Ravalomanana amin’ny fifidianana izay hatao eto. Manodidina ny 50% eo ny vato ho azony amin’ny fihodinana voalohany. Mety hihoatra kely, mety ho latsaka kely, mety tsy hitovy ihany koa ny ho hitan’ny mpomba azy sy izay havoakan’ny CES. Asakasany sy asakasantsika vahoaka ny hamerina ny krizy 2001 na tsia, amin’ilay premé toro de vita.

Na hasiana tolona sy krizy na tsia, na hasiana fihodinana faharoa na tsia, dia i Lalao Ravalomanana no ho filoham-pirenena manaraka, handimby an’i Andry Rajoelina. Ho avy amin’izay ny amerikanina hanao tsindry mivantana ho fanohanana azy, satria efa tontosa ny fepetra demokratika dia ny fifidianana. Dia bye bye kely aloha Reny Malala fa i Dadatoa Rasamy indray no hitantana.

Koa satria tsy nalamin-dRajoelina tao anatin’ny efa-taona ny fomba fanadiovana ny raharaham-pifidianana teto sy izay fampijoroana ny rariny, dia hiverina vetivety indray ilay fomba fitondrana naharatsy an-dRavalomanana teo aloha, dia ny fahazoana 100% eny amin’ny andrim-panjakana, dia izay rehetra tsy mitovy fijery dia any ivelany. 80% eny amin’ny antenimiera, 100% eny amin’ny Sénat, dia tsy hisy fomba hanongotana azy intsony eo afa-tsy fomba roa: fidinana an-dàlam-be na famonoana azy. Saingy aleo dia hotsorina fa tsy hisy ho tafa intsony izany, efa hainy ny lesona.

Dia fikan’i Medvedev sy Poutine amin’izay no hiseho eto amin’ny firenena, ka hifandimbiasan’i Lalao sy Marc Ravalomanana ny fitantanana ny firenena, ary efa vonona ihany koa ry Josoa ho mpandova. Hiezaka mafy ny mpanao politika hanova zavatra fa e e e, afaka 30 taona indray manandrana e! Ho maro ny vahoaka leo sy te hiova amin’izay fa e e e, ho “mamim-bahoaka” mandra-paharitrany ny taranaka Ravalomanana.