Thursday, January 17, 2019

Ialonako i Randy Donny

Taitra maraina aho androany.

Tsy hitako izay handaniako ny ora mandra-pahatongan’ny fotoana tena tokony hitsanganako avy eo am-pandriana, dia namaky ny riam-baovao tao amin’i mastodon aloha aho. Vetivety ihany dia voavakiko izay zava-baovao tao.

Dia nalaim-panahy aho hanokatra Facebook kely aloha, na dia efa am-bolana maro aza aho no tsy mivaky loha ny amin’izay miseho any amin’i Facebook intsony. Nisy mpanjifa nampanao “campagne de boost” ahy mantsy ka tokony ho nijery aho hoe efa mandeha ve ilay dokambarotra. Dia sarin’ilay mpanao gazety malaza Randy Donny no nanaitra ny masoko.

Ny sary moa matetika tokony hiteraka akony na “réaction” amin’izay olona mijery azy. Ary dia izany tokoa! Misy ny sary jerena dia mandalo, fa ity sarin’i Randy anankiray ity dia tena nisarika ny masoko ela, ary nanako tany anatiko tany. Nanelingelina ahy ilay izy. Niezaka ny hanazava an’izay fihetseham-po izay aho dia izao no teny afaka manambara azy : hasosorana, fialonana, tsy fahazoana aina, …

Fa nahoana anefa? Sariny eo afovoan’ny Filoha Rajoelina mivady ilay izy. Tsy hitako mihitsy izay tokony ho tsy tantin’ny masoko amin’ilay sary. Fa izaho angaha manam-paniriana hifanakaiky amin’ny mpitondra firenena akory? Tsy nanaiky ny saiko raha tsy azoko veroka izay anton’ilay fialonana tato anatiko. Nandramako nalaina sary an-tsaina hoe izaho no teo amin’ny toeran’i Randy, dia toa nahatsapa fahafinaretana izany aho raha izay tokoa. Nandramako nosoloina hoe i Prezidà Ravalomanana no teo akaikin’ny Filoha Rajoelina sy i Randy, dia tsy reko tampoka teo ilay fialonana. Nandramako nalaina sary an-tsaina hoe ny Filoha Rajaonarimampianina mivady no teo fa tsy ny Filoha Rajoelina mivady, dia tsy nanaitra ahy ilay sary.

(Io amin’ny rohy ambony io ilay sary manelingelina ny saiko)

Izay, tapitra!