Wednesday, February 13, 2019

Tsy naty antoka dimy taona ihany isika

Fijery iray ananan’ireo olona mpomba ny #MialaRajao ny hoe maty antoka dimy taona ny firenena malagasy noho ilay “Ni ni” tamin’ny taona 2013, tsy namelana ny kandidà Rajoelina sy ny kandidà Ravalomanana hirotsaka tamin’ny fifidianana. Toa ny kiana no betsaka tamin’ny fitondran’ny Filoha Rajaonarimampianina noho ny doka. Dimy taona aty aorian’ilay fifidianana faran’ny taona 2013 anefa, ilay tsy navela hirotsaka no nisafidianan’ny vahoaka tamin’ny fihodinana faharoa.

Rehefa nandray ny fitondrana kosa ny Filoha Rajoelina, dia tsapa fa nisy ny fiezahana hiala amin’ny ankamaroan’ireo tsiny nanakianana ny fitondrana Rajaonarimampianina. Raha nampikolay tamin’ny resaka ambadika fa tsy laitra ny fitsabahan’ny vadin’ny Filoha Rajaonarimampianina tamin’ny fitantanana ny firenena, izay asa ny fahamarinany, dia namoahan’ny fiadidiana ny Repoblika fanambarana mihitsy ny famerana ny andraikitry ny vadin’ny Filoha Rajoelina tamin’ny fiandohan’ity fitondrana ity. Raha ny amin’izay aloha, fony mbola Filohan’ny Tetezamita aza izy mivady, dia tsy nisy loatra ny siosion-dresaka ny amin’izay fitsabahan’ny vehivavy amin’ny fitondrana ny firenena, ny eto amin’ny fisafidianana ny kandidàn’ny antoko TGV tamin’ny fifidianana irery ihany no tsaroana nilazan’ny gazety tamin’izany izay mety ho nisian’ny fitsabahana…
Teo aloha, nampikolay ny fihetraketraky ny mpitandro filaminana amin’ny vahoaka, raha ny herisetra tany Antsakabary no ohatra iray goavana ny amin’ny tsy fisian’ny fitsipi-pifehezana amin’izy ireo, ankehitriny kosa dia hita fa mba tsy an-kitsitsy aloha hatreto ny famaizana ny fanamparam-pahefana, ka ny fitarainana sy sary miparitaka any amin’ny tambajotran-tserasera dia tena misy mihaino tokoa. Tohizo fa tsara. Raha voakiana ho tsy manao na inona na inona ny fitondrana teo aloha, dia tsapa ho mihetsiketsika fatratra kosa ny mpitondra ankehitriny, na eto an-toerana na amin’ny fivoahana any ivelany. Eo amin’ny fanendrena ny tompon’andraikitra ambony eny anivon’ny ministera, dia misy ministera anankiray aloha hatreto miezaka ny mampiseho fa afaka ny mpiasa eo anivon’ny ministera izay manana ny fahaizana ilaina ihany no omena toerana fa tsy voatery ho olom-baovao izay akaiky sy naman’ny minisitra.
Ny resaka malety ihany koa dia naharatsy sary ny fitondrana teo aloha. Asa aloha ny amin’ity fitondrana vaovao ity momba izay resaka izay fa somary mampisalasala kely ihany ny fandanian’ny antenimiera roa tonta tsy misy fanovana ary amin’ny salanisa 100% ny tolo-dalàna aroson’ny governemanta. Tsy misy aloha anefa ny siosion-dresaka ny amin’izay mety ho fanazavana an’izay salanisa izay.

Raha ny hatreto aloha izany, dia miezaka ny ho tsara sary noho ny fitondrana HVM ny fitondrana ankehitriny, ka izay no ilazana hoe mety ho tsy maty antoka dimy taona ihany isika fa farafaharatsiny mba nisy hianaran’ny mpitondra vaovao ny amin’izay tsy tokony hatao rehefa mahazo fitondrana.

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment