Monday, January 14, 2008

Raha toa moa ka … ekipa mora resena ny Elefantan’i Côte d’Ivoire?

Resaka baolina kitra indray. Mba ahoana ary ny tokinainan’ireto Barea-n’i Madagasikara ireny amin’ny hoavy, fa ny zandrikely toa mba mahavita zavatra ihany fa vao eo amin’ny sehatra senior dia tsy misy horaisina intsony? Misy ve ny mpandimby ary azo antenaina ve ry zalahy? Nahoana ary isika no nahabata ny Mondial Pupilles sy ny Cosafa U-20, kanefa raha vao resaka CAN dia tsy misy tokontaniny. Aiza ve ka La Réunion aza tsy resintsika ao anatin’ny 90 minitra?

Mba sendrasendra nijery ny valin-dalao tamin’ny CAN 2007, sokajy U-20 aho dia gaga nahita fa hay ity Côte d’Ivoire ity rehefa tsy misy Drogba dia sahala amin’ny Barea ihany?

http://rsssf.com/tablesa/afr-u20-07.html

Isika tamin’io fifanintsanana io, nandresy an’i Maorisy (efa saika tsy nandresy), dia avy eo resin’i Zambia mazava dia vita ny lalana. I Côte d’Ivoire rehefa nanilika mondialiste 2 (Angola sy Tunisie) dia nanao ahoana amin’izay tany amin’ny match de poule? Lalao 3, resy in-3, tsy nampidi-baolina na iray aza ary nidirana baolina 7. Ary ireo ekipa nifanandrina taminy dia tsy ireo ekipa eritreretina ho sangany aty Afrika amin’izao fotoana izao, fa ry Congo Brazzaville (izay nibata ny fandresena farany), Gambie ary Burkina Faso.

Inona no azo tsoahina amin’izany? Misy fiovana ny tontolon’ny baolina kitra eto Afrika raha ny latsaky ny 20 taona no jerena. Azo eritreretina fa ho tonga any amin’ny ekipa senior io afaka 4 hatramin’ny 10 taona eo. I Madagasikara dia tokony hanana ny toerana misy azy ao anatin’izany fiovana izany (mutation) raha heverina ny zava-bitan’ny boay kely fa misy indro kely fotsiny no tsy maha-tafita. Inona io indro kely io? Tsy ananako ny valiny.