Thursday, January 31, 2008

Raha toa moa ka … i Jentilisa ihany no Rajiosy?

Fa mba naninona ary no dia nisy olona 2 dia ny anankiray nifidy solonanarana hoe Jentilisa dia ny anankiray nisafidy ny hoe Rajiosy? Sa efa nifankafantatra mialoha tany sy ady efa tsy vita avy tany? Sa sao dia mba olona iray ihany izy anankiroa ireo? Toy ny maha-1 an’i George W. Bush sy i Tony Blair? Asa …

Namaky fanamarihana iray tao amin’ny blaogin’i Tattum aho indray andro. Mamaky, mamaky, dia resy lahatra aho hoe tena mba mipetrapetraka koa ny hevitr’izany ranamana izany. Mba lahy ary ve izy ity sa vavy fa raha vavy ity tena miady amin’ny piesiko mihitsy fa sady marina ny zavatra lazainy no mitovy amin’ny fomba fisainako rahateo. Namaky, namaky, voavaky hatramin’ny farany ilay fanamarihana, dia hijery an’ilay solonanarana amin’izay hoe solonanarana bandy sa sipa, fa ny an’i Tattum mantsy ny solonanarana miseho aorian’ny fanamarihana, hay … indrisy fa hay izaho ihany no nametraka an’ilay fanamarihana novakiako io.

  1. Tokinao

    Friday, October 17, 2008 - 22:35:22

    hehehehehe! msôtra e :)

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment