Monday, January 14, 2008

Raha toa moa ka … ekipa mora resena ny Elefantan’i Côte d’Ivoire?

Resaka baolina kitra indray. Mba ahoana ary ny tokinainan’ireto Barea-n’i Madagasikara ireny amin’ny hoavy, fa ny zandrikely toa mba mahavita zavatra ihany fa vao eo amin’ny sehatra senior dia tsy misy horaisina intsony? Misy ve ny mpandimby ary azo antenaina ve ry zalahy? Nahoana ary isika no nahabata ny Mondial Pupilles sy ny Cosafa U-20, kanefa raha vao resaka CAN dia tsy misy tokontaniny. Aiza ve ka La Réunion aza tsy resintsika ao anatin’ny 90 minitra?

Mba sendrasendra nijery ny valin-dalao tamin’ny CAN 2007, sokajy U-20 aho dia gaga nahita fa hay ity Côte d’Ivoire ity rehefa tsy misy Drogba dia sahala amin’ny Barea ihany?

http://rsssf.com/tablesa/afr-u20-07.html

Isika tamin’io fifanintsanana io, nandresy an’i Maorisy (efa saika tsy nandresy), dia avy eo resin’i Zambia mazava dia vita ny lalana. I Côte d’Ivoire rehefa nanilika mondialiste 2 (Angola sy Tunisie) dia nanao ahoana amin’izay tany amin’ny match de poule? Lalao 3, resy in-3, tsy nampidi-baolina na iray aza ary nidirana baolina 7. Ary ireo ekipa nifanandrina taminy dia tsy ireo ekipa eritreretina ho sangany aty Afrika amin’izao fotoana izao, fa ry Congo Brazzaville (izay nibata ny fandresena farany), Gambie ary Burkina Faso.

Inona no azo tsoahina amin’izany? Misy fiovana ny tontolon’ny baolina kitra eto Afrika raha ny latsaky ny 20 taona no jerena. Azo eritreretina fa ho tonga any amin’ny ekipa senior io afaka 4 hatramin’ny 10 taona eo. I Madagasikara dia tokony hanana ny toerana misy azy ao anatin’izany fiovana izany (mutation) raha heverina ny zava-bitan’ny boay kely fa misy indro kely fotsiny no tsy maha-tafita. Inona io indro kely io? Tsy ananako ny valiny.

Friday, January 4, 2008

Raha toa moa ka … hotapahina ny rano eto Iarivo?

Ny mpanao gazety indray ve no manitatra sa resaka marina ny hoe hotapahin’ny JIRAMA ny jiro sy rano eto Iarivo? Toa gazety mihoatra ny iray aloha no miresaka momba izay,  fa dia noho ny trosa tsy voaloan’ny kaominina hono no antony. Dia inona no hitranga raha izany tokoa, ho an’ny olona tsy manana rano any an-tokantranony?

Ny jiro aloha, mba hanomboka hanao fety izany ny mpamaky trano fa mba ho maizimaizina ny elakelatrano, ampian’ny orana mety ho avy amin’ny alina dia tena paradisan’ny famakian-trano mihitsy. Maraina ianao vao gaga fa hay efa matory amin’ny tany fa lasan-dry zalahy ny entana rehetra, hatramin’ny farafara sy ny bodofotsy nirakofana.

Ny rano indray, ho raikitra ny fiarahana rodobe mandeha misasa eny amin’ny Marais Masay: hiaraka ny mponin’Antananarivo mahantra manao jogging maraina, dia mankeny amin’ny Marais Masay misaika, entina ao an-damosina ny akanjo hisoloana rehefa avy misasa. Mitondra rano tapaky ny tavoahangy EauVive hikobanana (sy hanasana ny faritra sarotiny) dia izay. Samy mamonjy ny asany avy eo.