Thursday, April 3, 2008

Raha toa moa ka … teratany kiobanina i DotMG?

Tandremo: tantara efa nandeha ity horesahiko anio ity.

Miova andriana, miova sata tokoa va re ry zareo ao Kioba, fa nony i Raolona no nitondra ny fanjakana dia nisy fanalalahana vitsivitsy noraisina. Manomboka mahazo mampiasa finday amin’izay ny olom-pirenena tsotra, manomboka mahazo mividy laptop ny olom-pirenena tsotra, manomboka mahazo mandeha any amin’ny hotely izay tiany amin’izay ny olom-pirenena tsotra, ny hany fepetra dia ny fahatakaran’ny sôsiny; raha toa ka ny tompon’andraiki-panjakana ambony sy ny vahiny ihany no nanana izany zo izany teo aloha. Sahala amin’ny hoe manomboka misy ny fahafahana ô?

Eto Madagasikara, volana vitsivitsy lasa izay, namoaka lalàna ny fitondrana fa tsy mahazo mametaka film matroka amin’ny fiara intsony ny olom-pirenena tsotra, fa dia ny tompon’andraiki-panjakana ambony sy ny vahiny ihany sisa no hahazo alàlana amin’izany, raha toa ka samy nanana an’izany zo izany ny bodo sy adala teo aloha. Volana maromaro taty aoriana, toa tsy tsapan’i DotMG izay mba tombontsoa azony tamin’izany lalàna hafahafa izany.

Izao dia reko indray fa tena hapetraka ato ho ato koa hono ilay lalàna hoe tsy mahazo manao slip miloko fotsifotsy intsony ny olom-pirenena tsotra, fa ny vahiny sy ny tompon’andraiki-panjakana ambony ihany no hanana izany zo izany. Nefa ny fanjakana tsy hividy ny slip-nao miloko fotsy hoe fripy fa dia ny manary no mety. Tsy rariny ô?

Raha toa moa ka … nandatsa-bato TGV i DotMG tamin’ny fifidianana ho Ben’ny Tanàna, tsy hoe satria naharesy lahatra azy iny iraikalahy iny, na hoe hitany hoe metimety kokoa noho ilay iray hafa, fa noho ny tsy fahafaliany tamin’ilay antoko politika lehibe tompom-pahefana nanao an’ilay lalàna mandrara ny film sy fitiavana te hamelaka kely fotsiny? Sain-jaza ô?