Wednesday, October 29, 2008

Rindrankajy mpitsara tsipelina malagasy

Efa herinandro maromaro izay no afaka nampiasaina ny rindrankajy mpitsara tsipelina noresahiko tany amin’ny Barcamp fa tena tsy nisy inspiraka hanaovana blog post hiresahana azy mihitsy dia navela ho namana vitsivitsy ihany aloha no nahalala azy. Fa saingy ilay inspiraka hanoratra blaogy toa tsy mety ho tonga mihitsy dia naleo navoaka androany ihany ilay izy. Tsy maintsy avoaka alohan’ny faran’ny volana kanefa izao rahampitso ny blaogy efa natokana hanolorana hira ho an’i Aziew, dia ny zoma tsy fantatra na ho afaka na tsia dia aleo atao androany. Na dia ho teny iraim-bava aza no holazaina eto.

Ny rindrankajy mpitsara tsipelina malagasy dia tsy inona fa pejy iray amin’ny internet ahafahana mametraka lahatsoratra amin’ny teny malagasy. Rehefa avy tsindrianao ilay bokotra hoe Alefa dia asehony ireo teny mety ho diso tsipelina tao amin’ny lahatsoratra natsofokao. Tsy mbola afaka manome soson-kevitra momba ny tsipelina tokony ho nampiasaina io rindrankajy io, ary mety ho ela be any aoriana any vao hanao an’izay, raha hanao.

Araka ny efa natsidika tany amin’ny barcamp dia opensource izy io, koa raha mety mahaliana anao dia azo alaina ny source nanamboarana azy. Azonao hatsaraina sy ovaina ary aparitaka ihany koa.

Ny sehatra ahitana azy dia ao amin’ny dotmg.net/spell. Raha hitsara tsipelina dia jereo eto: Fitsarana tsipelina, ary raha hijery ny tetikasa tsipelina dia ao amin’ny tsipelina.sourceforge.net.

Dia antenaina fa afaka hanampy antsika mpiangaly lahatsoratra amin’ny fiteny malagasy ity fitaovana iray ity.