Wednesday, October 29, 2008

Rindrankajy mpitsara tsipelina malagasy

Efa herinandro maromaro izay no afaka nampiasaina ny rindrankajy mpitsara tsipelina noresahiko tany amin’ny Barcamp fa tena tsy nisy inspiraka hanaovana blog post hiresahana azy mihitsy dia navela ho namana vitsivitsy ihany aloha no nahalala azy. Fa saingy ilay inspiraka hanoratra blaogy toa tsy mety ho tonga mihitsy dia naleo navoaka androany ihany ilay izy. Tsy maintsy avoaka alohan’ny faran’ny volana kanefa izao rahampitso ny blaogy efa natokana hanolorana hira ho an’i Aziew, dia ny zoma tsy fantatra na ho afaka na tsia dia aleo atao androany. Na dia ho teny iraim-bava aza no holazaina eto.

Ny rindrankajy mpitsara tsipelina malagasy dia tsy inona fa pejy iray amin’ny internet ahafahana mametraka lahatsoratra amin’ny teny malagasy. Rehefa avy tsindrianao ilay bokotra hoe Alefa dia asehony ireo teny mety ho diso tsipelina tao amin’ny lahatsoratra natsofokao. Tsy mbola afaka manome soson-kevitra momba ny tsipelina tokony ho nampiasaina io rindrankajy io, ary mety ho ela be any aoriana any vao hanao an’izay, raha hanao.

Araka ny efa natsidika tany amin’ny barcamp dia opensource izy io, koa raha mety mahaliana anao dia azo alaina ny source nanamboarana azy. Azonao hatsaraina sy ovaina ary aparitaka ihany koa.

Ny sehatra ahitana azy dia ao amin’ny dotmg.net/spell. Raha hitsara tsipelina dia jereo eto: Fitsarana tsipelina, ary raha hijery ny tetikasa tsipelina dia ao amin’ny tsipelina.sourceforge.net.

Dia antenaina fa afaka hanampy antsika mpiangaly lahatsoratra amin’ny fiteny malagasy ity fitaovana iray ity.

  1. simp

    Friday, October 31, 2008 - 01:58:46

    oh la la yes,
    misaotra anao ny fiangonana :)

  2. simp

    Friday, October 31, 2008 - 01:59:39

    ary mahay teny ratsy lery an :P

  3. DotMG

    Friday, October 31, 2008 - 09:29:27

    Tsia, tsy mahalala teny ratsy io rindrankajy mpitsara tsipelina io. Raha ny teny toy ny hoe mamany, mangery, vody, sy ny mivantambantana kokoa noho ireo no eritreretinao ho teny ratsy dia tsy teny ratsy ireny fa teny tsara. Ny hoe mipipy, mikakà, anus no teny ratsy satria avy amin’ny teny vahiny nogasiana ireny, na teny vahiny mihitsy aza.

  4. ikalakely

    Friday, November 7, 2008 - 12:12:48

    misaotra betsaka fa tena tsara dia tsara, mieritreritra ireo gasy rehetra sahirana sy mampiana-janaka aho eto, misaotra dot a !

  5. tomavana

    Friday, November 7, 2008 - 12:28:13

    Misaotra betsaka fa manome toky indray ireo izay mbola misalasala ny hanapariaka lahatsoratra amin’ny teny Gasy.

    P.S: tsy fantany ny teny hoe “hanapariaka” ;)

  6. DotMG

    Friday, November 7, 2008 - 12:36:45

    @tomavana: http://dotmg.net/spell/wiki/FalsePositive.

    Dia tsy misy fisaorana re tompoko fa ny feedback avy aminareo no fisaorana tsara indrindra.

  7. jogany

    Friday, November 7, 2008 - 13:09:10

    hip hip hip hip hurray hianatra teny gasy amizay zao!

  8. Tahina

    Friday, November 7, 2008 - 18:50:13

    Matotra lesy, tsy maintsy hoe ho ao matetika ihany izany.

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment