Friday, March 6, 2009

Raha toa moa ka … kely, fohy, raims fa milay

Teny roa fotsiny.

Nisy fety tao amin’ilay orinasa niasako. Efa vonona ny kaly sy tsaky isan-karazany, samy haka izay laniny rehefa avy eo fa alohan’ny hihinanana dia misy kabary betsaka aloha. Vita ny kabary, somary elaela ihany, ny olona efa ramaka, nefa mbola tsy tonga dia hihinana fa ny “section théatre” ao amin’ilay orinasa hono mbola hampiseho talenta hamalifaly ny mpiara-miasa aloha. Vetivety fotsiny.

Tsy nahitako finy (vakio hoe fìhany) ilay teatra fa ratsy ny fanamafisam-peo. Miandry izay hihafarany fotsiny aho dia hitehaka, hanome courage. Afaka 4 minitra, indreny fa niara-niondrika ry zareo, nirefodrefotra ny tehaka. Hay mbola tsy vita fa ny fizarana voalohany no vao vita, ka tsy namonjy nidina tety aminay mpijery fa mbola samy niverina teo an-tsehatra ireo mpilalao. Dia nitohy indray ny teatra. 4 minitra indray, saingy sahala amin’ny hoe naharitra kokoa noho ny teo. Ireny indray fa niondrika, nirefodrefotra mafimafy kokoa ny tehaka eran’ny trano. Ilay tehaka mafy tsy midika hoe faly ny mpijery tamin’ilay prestation fa hafaliana hoe hikaly amin’izay. Kanjo indrisy, mbola vao fizarana faharoa no vita fa indreny ny mpilalao mbola niverina toy ny teo ihany. Kiii. Fa misy fizaràna firy aza ity kisehoseho ity?

Tsy voaisako fa angamba teo amin’ny 4 na 5 teo ny fizaràna. Ny tadidiko dia nihamora ny hamafin’ny tehaka, ramaka sa leo? Tsapako koa fa hay tsy izahay taty afara irery no tsy nahazo izay havia sy havanana amin’ilay teatra fa na ny tany aloha koa aza. Raha tsorina dia ry zareo mpilalao ihany no mety nahazo finy raha nisy finy izay seho izay.

Nony tena vita ilay teatra dia indreny fa nidina amin’izay ireo mpilalao nankety aminay mpijery. Nirefodrefotra sady naharitra mihitsy ny tehaka teo, tehaka mihatsaravelatsihy ranofotsiny. Faly ny rehetra fa vita ihany ilay kalvary nampiaretana azy. Nony nangingìna ny tehaka dia nihiaka mafy tao anatin’ny mpiara-miasa tao aho, arak’izay tratrako amin’ity feo keliko.

Teny roa fotsiny.

“Bis eeeeeeee!”

Saingy anisan’ny hatsikana noforoniko tiako indrindra iny. Kely, fohy, raims fa … milay izy amiko. Mahafaly ny mpanao hatsikana ny mahita ny “assistance” miredona hehy mandre izay inianao atao mba hampihomehy, fa mainka milay koa ny mahita ireo izay tsy mahazo raha ka mitodika manao masiaka be mijery ho iza koa ilay niteny hoe Bis teo…