Thursday, April 16, 2009
Raha toa moa ka … hatsahatra

Mamomamo rangahy niditra tao am-parafara, tsy katry be akory fa mba dizna kely fotsiny. Avy dia nanafosafo sy nanorokoroka an-dramatoa fa te hanao ilay adidin’ny mpivady. Kanjo tonga dia nahifik’ilay vadiny tsy misy fitserana.
- An an an, hoy rafotsy nasiaka, tsy androany fa sady vizana be aho izany no marary be ny an-dohako, sady tsy tiako fa misy fofon-toaka indray ianao.
Somary tezitra rangahy ka somary notereny nosokafana ity fem-badiny sady nampiany hoe :
- Hanao itena sa tsy hanao fa rehefa tsy hanome izay ilaiko izaho koa anie mahay mitady any an-kafa e … Tsy lany firy mille akory dia mahazo tsara noho ny an-tena.
Avy dia nampiaka-peo ilay rafotsy :
- Tena mba aoka hatsahatra amin’izay kosa rainy ity fampiasan-kery sy fandrangitana ary fampitahorana ity a!
- Ka atsaharo koa aza ny fankahalàna, ny fitokonana sy ny fanelezana vaovao tsy marina e!
Add comment
Fill out the form below to add your own comments
Thursday, April 16, 2009 - 18:10:10
loooooooooolllllll
Sunday, April 19, 2009 - 03:16:41
ary maninona no Mgr no sary nandravahana azy r’itony e ? ptdrrrr
Sunday, April 19, 2009 - 03:17:21
ary hay diso ny anarako hatrizay ^^ lololl
Monday, April 20, 2009 - 09:19:27
@ikakamako : lol ….
Valiana ihany sao misy tsy maharaka ianareo mipetraka any am-pitan-dranomasina fa i Mgr no nanao an’ilay kabary hoe “Atsahatra ny fitokonana, atsahatra ny fandranitana, atsahatra ny fanelezana vaovao tsy marina, atsahatra ny fampiasan-kery….” fony nanelanelana tao @ Le Hintsy Ambohimanambola i Nedala. Tamin’izany fotoana…
Tuesday, April 21, 2009 - 12:07:51
Tsotra nefa tena mampihomehy be ……