Wednesday, July 28, 2010

Raha toa moa ka … yrdnamidon

Namaky kely ny dinik’ingahy simplex aho omaly. Ny ahy indray raha vao resak’ingahirainy io na fohy na lava voavakiko soa aman-tsara foana. Indraindray moa raha somary fohy ilay izy dia mety ho voavakiko in-droa, in-telo mihitsy aza. Dia lasa ny saiko momba ny filazana manjo rehefa namono tena ilay havana nodimandry.

Amin’ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty …

Tsy haiko aloha fa raha mino ny resaka helo sy paradisa ny fianakaviana, dia aleo tsy manantena ny fitsanganan-ko velona satria dia toa midika fa rehefa hitsangan-ko velona izany ilay rahavana namono tena dia lasa any amin’ny helo. Ilehiry nandatsaka aina dia avy eo mety ho tsy nanam-potoana ibebahana intsony fa iny dia jaingy koa.

… no ampandrenesanay anareo fa nantsoin’ny Rainy hody any aminy …

Fanelezana Vaovao Tsy Marina! Sady tonga dia Andriamanitra mihitsy ve no lazaina ho nanao izay tsy nataony? Tsy Izy no niantso fa ilay namono tena no nilitility tonga tsy nantsoina ohatry ny vinanto tsy mahare fosa. Sady mety mety tsy lasa nody any amin’ny Ray koa fa mety nody any amin’ilay Raikely Belza tompon’ny helo.

Ka dia tokony hatao toy izao ny filazana manjo rehefa amin’ny tranga famonoan-tena :

Amin’alahelo sy henatra be no ampandresanay anareo noho ny fihavanana fa nanapitra ny tantarany ny havanay Rabeniomby sy Ravolahanta.

Amennnnnaaaaaaaaaaaaaaaaa!

  1. bloc25

    Wednesday, July 28, 2010 - 10:52:06

    Izao aho vao maheno an’ilay tantara fa raha tena havanao akaiky ilay namono tena mety tsy hametraka an’io phrase farany io kosa angamba enao ao amin’ny faire part eh! Raha izaho aloha no nanoratra dia lazaiko hoe :
    “.. no ampandrenesanay anareo fa nody any amin’ny Ray ny havamalalanay Ravolahanta sy Rabeniomby” . Mba te ho hero kosa angamaba ry zareo ka nadaitra ny tetiny izao ry zareo malaza ka resaihintsika eto. lol!!!!

  2. DotMG

    Wednesday, July 28, 2010 - 11:07:47

    @bloc25 : raha havanay akaiky no misy mamono tena (raha toa moa ka…), dia hanaovan’ny fianakaviana fivoriambe, dia lazaina amin’ilay namono tena hoe “Ialahy militilita manapitra ny ain’ialahy amin’ny tsy fotoany, koa ‘ndàna aleveno ny tenan’ialahy fa tsy misy mahakarakara an’ialahy ny fianakam’s” Donc tsy hisy ny filazana manjo fa izay manjo ilay namono tena any dia aleo hanjo azy.

    http://moonlightgirl.wordpress.com/2008/09/25/unbelievable/

  3. bloc25

    Wednesday, July 28, 2010 - 11:57:19

    mampalahelo ilay olona namono tena , velona tsy misy miraharaha dia namono tena maty tsy misy miraharaha dia mandevintena

  4. bloc25

    Wednesday, July 28, 2010 - 17:59:46

    http://paulocoelhoblog.com/2010/07/25/edition-n-191-le-ciel-et-l-enfer/

  5. DotMG

    Wednesday, July 28, 2010 - 18:04:04

    Tsy ratsy ilay tantara ka. Za zany lé isan’lé voafitaka.

  6. simp

    Sunday, August 1, 2010 - 20:44:43

    ka na ny hoe famangiana @ izao koa aza anie otran’ny hafahafa ihany ee…
    Tsy i A/tra no niantso fa i lery no te hande…
    dia le hoe hanao veloma farany any ampiangonana koa…

    izao rehetra izao no mahatonga an’le hoe refa mamono tena dia mba ataovy en bonne et due forme… mba hoe tena lasa hero refa maty… ohatra hoe atao tsy hita ny vatana ohatra fa mipoaka anaty fiara… na hoe afatotra @ vato be refa mi-plonge any anaty rano dia tsy mitsingevana le razana avy eo…

    c’est la vie ee!!

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment