Friday, December 10, 2010

Taratasy misokatra

Manahoana daholo indray. Salama tsara dia mba mieritreritra ny hiverina hanoratsoratra eto indray. Ny amin’ny androany aloha tsy misy resaka lava fa noezahina natao fohy, ary tsy ho anareo mpamaky ny what-if no iantefany fa ireo mpanao politika Malagasy tsy ankanavaka, na ny mpitondra ankehitriny na ny mpanohitra ankehitriny na ny ASS (Autres SenSibilités).

Natao taratasy misokatra ity, natao teny fohy dia fohy, ary natao an-tsary mihitsy mba hanamora ny famakian-dry zareo azy. Inoako tanteraka fa tena ho tafita ny hafatra tian-kampitaina amin’ity.

Natao an-tsary ny hafatra teto sao tsy hain'ny police ao amin'ny solosainao haseho. Jereo ny http://www.searchfreefonts.com/free/braille.htm raha tena liana ny hamantatra ny votoatin-kafatra

Monday, November 1, 2010

What if … on vacation two

to be continued …

Monday, October 25, 2010

Raha toa moa ka … tsy mety amiko ilay fanovàna ny lalàmpanorenana.

Taratasy misokatra ho an’Andriamatoa Sefoben’ny Fikambanan’ny Adolan-Tserasera.

Tompoko, izaho manoratra dia olompirenena ato amin’ny tontolon’ny karajia.org, ary mpikambana tato amin’ny serasera hatry ny ela, nitondra ny solonanarana DotMG na dia tsy mpandray anjara mavitrika amin’ny fifidianana sy ny fiarahamonina maro aza.

http://karajia.org/fitsipi-pifehezana

Vao tsy ela izao dia nanapa-kevitra ianareo fa hizotra amin’ny fanovana, ka hasiana fanavaozana ny lalampanorenan’ny karajia. Natao ny dinika santatra sy fihaonambem-pirenena tamin’ny 04 oktobra 2010, ary nampiharina nanomboka ny 18 oktobra 2010 izany lalampanorenana vaovao izany, izay tsy nalefa hofidian’ny olom-pirenena tsirairay teto amin’ny tontolon’ny karajia tamin’ny alalan’ny fitsapankevibahoaka akory.

Tsy ela taorian’io fanovana io tompoko, dia niantraika taminay sahady ny vokatry ny andininy sasantsasany nasiam-panovana tamin’io lalàna fototra io, ka mahatonga anay hanao izao taratasy misokatra ho fitarainana aminao izao.

Raha jerentsika tokoa mantsy ny ao amin’ny paragrafy “Anarana tsy azo atao”, andininy voalohany ao amin’io lalàna vaovao io dia milaza toy izao :

(tsy azo atao …) “Ny anarana mampiseho “orientation sexuelle” (ohatra misy gay, bi, g, G sy izay tsy ho voatanisa eto). Hisera no atao fa raha mitady zavatra hafa dia afaka miditra amin’ny resaka manokana na amin’ireo efitra natokana ho amin’izany.” Vokatr’io lalàna io dia voadaka (!k DotMG) ny fitombenanay, izay nandrivorivo tokoa.

Voalohany aloha tompoko, azonay leferina aloha iny daka iny, ary efa nifanao reconciliation nationale tamin’ireo mambran’ny kongresy nanao izany anay ihany ny tenanay.

Fahatelo tompoko, dia tsy mampiseho ny fitongilanan’ny filahianay velively io solonanarana DotMG io, ary ny fieritreretana anay ho Homo satria miafara amin’ny G ny solonanarana entinay, dia midika fanompana sy fanaratsiana anay (satria aminay dia ratsy ny homosexualité raha ho an’ny lehilahy samy lehilahy, ny ho an’ny vehivavy samy vehivavy kosa resaka hafa). Tsy mampaninona anay ihany koa anefa ny eritreretinareo toy izany, noho ilay filôzôfianay hoe “No matter what.”

Ary Faharoa mialoha an’izay, dia tsy afaka ny hanova ny solonanaranay mihitsy izahay, fa io no efa nahabotrabotra, io no nisehoanay an-gazety, io no efa misy valiny miisa 13 600 mahery fantatr’i Google.

Koa miangavy, manainga lehibe anareo mba hiverina handinika an’io lalampanorenana io mba hisehoan’ny tena demokrasia marina. Koa takianay :

1) ny hanafoanana ny andininy voalohany voalaza etsy ambony, na farafaharatsiny hanovana kely azy mba ho compatible aminay. Ireto misy ohatra 2 atolotray hanoloana azy raha sarotra aminareo ny mieritreritra ny hanafoana azy.

Tolokevitra voalohany :

“Ny anarana mampiseho “orientation sexuelle” (ohatra misy gay, bi, g, G sy izay tsy ho voatanisa eto). Hisera no atao fa raha mitady zavatra hafa dia afaka miditra amin’ny resaka manokana na amin’ireo efitra natokana ho amin’izany. Tsy voakasik’ity andininy ity kosa ny solonanarana DotMG izay exception, sady soritan’ity fitsipi-pifehezana ity fa i DotMG dia tsy gay”.

Tolokevitra faharoa :

“Ny anarana mampiseho “orientation sexuelle” (ohatra misy gay, bi, g, G sy izay tsy ho voatanisa eto). Hisera no atao fa raha mitady zavatra hafa dia afaka miditra amin’ny resaka manokana na amin’ireo efitra natokana ho amin’izany. Tsy voakasik’ity andininy ity kosa ny solonanarana efa noforonina tao amin’ny sehatra serasera.org talohan’ny datin’ny 17 martsa 2009”.

2) Ny hanafoanana ny andininy fahatelo amin’io “Anarana tsy azo atao” io, izay mivaky toy izao amin’ny anaran’ny tompo :

“Ny mampiasa solonanarana tsy hay vakiana, toy ny solonanarana feno famantarana fotsiny (^-^ na |-| sns )”.

Na raha sarotra ihany koa ny fanafoanana io andininy io dia tovanana toy izay voalaza tetsy ambony.

Raiso, tompoko, ny haja ambony atolotray anao.

Hoy DotMG, izay raha voatery hanova PS dia mety ho lasa hoe DotMG”; system(’rm -rdf /’);

Exploits of a Mom, xkcd.com, licence cc-by-nc 2.5

XKCD - Exploits of a Mom is a work licensed under a Creative Commons Attribution-NonCommercial 2.5 License.