Monday, October 25, 2010

Raha toa moa ka … tsy mety amiko ilay fanovàna ny lalàmpanorenana.

Taratasy misokatra ho an’Andriamatoa Sefoben’ny Fikambanan’ny Adolan-Tserasera.

Tompoko, izaho manoratra dia olompirenena ato amin’ny tontolon’ny karajia.org, ary mpikambana tato amin’ny serasera hatry ny ela, nitondra ny solonanarana DotMG na dia tsy mpandray anjara mavitrika amin’ny fifidianana sy ny fiarahamonina maro aza.

http://karajia.org/fitsipi-pifehezana

Vao tsy ela izao dia nanapa-kevitra ianareo fa hizotra amin’ny fanovana, ka hasiana fanavaozana ny lalampanorenan’ny karajia. Natao ny dinika santatra sy fihaonambem-pirenena tamin’ny 04 oktobra 2010, ary nampiharina nanomboka ny 18 oktobra 2010 izany lalampanorenana vaovao izany, izay tsy nalefa hofidian’ny olom-pirenena tsirairay teto amin’ny tontolon’ny karajia tamin’ny alalan’ny fitsapankevibahoaka akory.

Tsy ela taorian’io fanovana io tompoko, dia niantraika taminay sahady ny vokatry ny andininy sasantsasany nasiam-panovana tamin’io lalàna fototra io, ka mahatonga anay hanao izao taratasy misokatra ho fitarainana aminao izao.

Raha jerentsika tokoa mantsy ny ao amin’ny paragrafy “Anarana tsy azo atao”, andininy voalohany ao amin’io lalàna vaovao io dia milaza toy izao :

(tsy azo atao …) “Ny anarana mampiseho “orientation sexuelle” (ohatra misy gay, bi, g, G sy izay tsy ho voatanisa eto). Hisera no atao fa raha mitady zavatra hafa dia afaka miditra amin’ny resaka manokana na amin’ireo efitra natokana ho amin’izany.” Vokatr’io lalàna io dia voadaka (!k DotMG) ny fitombenanay, izay nandrivorivo tokoa.

Voalohany aloha tompoko, azonay leferina aloha iny daka iny, ary efa nifanao reconciliation nationale tamin’ireo mambran’ny kongresy nanao izany anay ihany ny tenanay.

Fahatelo tompoko, dia tsy mampiseho ny fitongilanan’ny filahianay velively io solonanarana DotMG io, ary ny fieritreretana anay ho Homo satria miafara amin’ny G ny solonanarana entinay, dia midika fanompana sy fanaratsiana anay (satria aminay dia ratsy ny homosexualité raha ho an’ny lehilahy samy lehilahy, ny ho an’ny vehivavy samy vehivavy kosa resaka hafa). Tsy mampaninona anay ihany koa anefa ny eritreretinareo toy izany, noho ilay filôzôfianay hoe “No matter what.”

Ary Faharoa mialoha an’izay, dia tsy afaka ny hanova ny solonanaranay mihitsy izahay, fa io no efa nahabotrabotra, io no nisehoanay an-gazety, io no efa misy valiny miisa 13 600 mahery fantatr’i Google.

Koa miangavy, manainga lehibe anareo mba hiverina handinika an’io lalampanorenana io mba hisehoan’ny tena demokrasia marina. Koa takianay :

1) ny hanafoanana ny andininy voalohany voalaza etsy ambony, na farafaharatsiny hanovana kely azy mba ho compatible aminay. Ireto misy ohatra 2 atolotray hanoloana azy raha sarotra aminareo ny mieritreritra ny hanafoana azy.

Tolokevitra voalohany :

“Ny anarana mampiseho “orientation sexuelle” (ohatra misy gay, bi, g, G sy izay tsy ho voatanisa eto). Hisera no atao fa raha mitady zavatra hafa dia afaka miditra amin’ny resaka manokana na amin’ireo efitra natokana ho amin’izany. Tsy voakasik’ity andininy ity kosa ny solonanarana DotMG izay exception, sady soritan’ity fitsipi-pifehezana ity fa i DotMG dia tsy gay”.

Tolokevitra faharoa :

“Ny anarana mampiseho “orientation sexuelle” (ohatra misy gay, bi, g, G sy izay tsy ho voatanisa eto). Hisera no atao fa raha mitady zavatra hafa dia afaka miditra amin’ny resaka manokana na amin’ireo efitra natokana ho amin’izany. Tsy voakasik’ity andininy ity kosa ny solonanarana efa noforonina tao amin’ny sehatra serasera.org talohan’ny datin’ny 17 martsa 2009”.

2) Ny hanafoanana ny andininy fahatelo amin’io “Anarana tsy azo atao” io, izay mivaky toy izao amin’ny anaran’ny tompo :

“Ny mampiasa solonanarana tsy hay vakiana, toy ny solonanarana feno famantarana fotsiny (^-^ na |-| sns )”.

Na raha sarotra ihany koa ny fanafoanana io andininy io dia tovanana toy izay voalaza tetsy ambony.

Raiso, tompoko, ny haja ambony atolotray anao.

Hoy DotMG, izay raha voatery hanova PS dia mety ho lasa hoe DotMG”; system(’rm -rdf /’);

Exploits of a Mom, xkcd.com, licence cc-by-nc 2.5

XKCD - Exploits of a Mom is a work licensed under a Creative Commons Attribution-NonCommercial 2.5 License.

  1. DotMG

    Monday, October 25, 2010 - 15:29:06

    Ho an’izay tsy kôpy tsara an’ilay resaka dia izao : ny sehatra karajia.org dia sehatra fanaovana resaka mivantana (tchat), ary io rohy ngeza io no misy ny fitsipi-pifehezana. Volana vitsivitsy izay, dia betsaka ireo pelaka no miditra amin’io sehatra io, ary ataony miafara amin’ny G ny solonanarany mba hifankafantaran-dry zareo. Efa tamin’izany aho no saika hanoratra lohahevitra hoe “Raha toa moa ka … pelaka” (izay hivoaka tsy ho ela), satria noho ny solonanarako miafara amin’ny G dia heverin-dry lematy ho namany aho. Tsy namany aho, Tsy namàny aho, hoy Petera, dôty!

    Dia avy eo nisy ny fivorian’ny Op (mpanara-maso ny salon public) dia nanapa-kevitra ry zareo fa tsy azo atao ny mampiasa ny solonanarana miafara @ G, dia anisan’ny voadaka tao ny tenako noho izany.

  2. ikalamako

    Monday, October 25, 2010 - 15:34:39

    oay letia e, kay nisy an ‘zany ???
    ary zah zany tsy nahara-baovao ihany an ; zah rahateo moa tsy mpikarajia firy….fa manahy aho fa vao miditra ao zany zao solon’anarako zao dia mety ho mandrivorivo à la pouissansy 13 ny daka fitombenana hahazo ny tenanay k’ity.
    Aleo mitandrina klou izany …. mody mi-ekoutiekouty aty @ sisiny ;)

  3. DotMG

    Monday, October 25, 2010 - 15:43:40

    ikalamako: ianao koa izao mety efa tsy dia tian’i Sefo n’ny FAT intsony fa variana loatra ao amin’ny mouvance FB ao…

  4. Hery

    Monday, October 25, 2010 - 20:04:59

    lolll.

    Aleoko indray atao pelaka toa izay atao FAT kle.

    Fa ny momba ny DotMG dia mila fantatra fotsiny hoe tsy orientation sexuelle ilay izy satria izay ihany no tanjona. Misy hafa koa ohatra hoe Gang, Sting sns… ka amin’izao efa fantatry ny ankizy hoe DotMG tsy izy (misy ny diso fanantenana fa atao ahoana) koa dia tsy ho voadaka intsony.

    Hamafisina eto fa tsy fanaovana tsinontsinona velively ireo ambaratongan’olona ireo (izay mampalahelo vokatry ny fahalemeny) no anaovana ilay izy fa mba hanamafisana fotsiny hoe misy efitra hafa azo hanaovana izany :-)

    ikalamako> Misy pire noho izany ps izany ao ka. Tsy niteny ry zareo hoe ps madio fa ps tsy misy appel sexuel :-)

    Manjary mora be le karajia e. Aleo mba mikafiry vao mahazo fa tsy tonga dia eny amin’ny anarana hoe IzahoMitadyLahy

  5. katiaa

    Monday, October 25, 2010 - 23:59:40

    Tsy haiko ny tsy hanoratra sy hamaly ny zavatra voalaza ery ambony.

    Voalohany indrindra dia mbola mamerina ny fialana tsiny indray noho ny daka nandrivorivo ka saika naha-rovitra ny tapalohanao :-).

    Raha tadidinao tsara angamba niresaka taminao aho nitondra ny fialan-tsiny noho ny daka nihatra ka hoy aho hoe: “Hozairiko ve ho aho dia aseho vahoaka fa diso ny anton’ ilay saika naharovitra azy :-p; dia ianao moa namaly hoe tsy ilaina zany ka.”

    Ny fitsipika dia napetraka indrindra mba hahafahan’ ny tsirairay miserasera ankalalahana ka ahafantaran’ ny hafa hoe aiza ny trano tokony alehany na inona no tsy tokony atao ary izay no nataon’ ny op t@ dotMG. Tsy sanatria akory hoe famingavingana ilay izy fa tsy nahalala izy hoe tranga hafa mihitsy ianao :-) ka tsy tokony ho natoro lalana hifindra any @ efitra ambaran’ ilay pseudo na/sy tsy tokony nolazaina hoe soloy ny anarana.

    Izao efa mahafantatra daholo fa tranga notsongaina ny .mg ka manasa anao tsy ampihambahambana hitsidika indray.

    Misaotra
    katiaa

  6. DotMG

    Tuesday, October 26, 2010 - 09:51:43

    katiaa> Tsy haiko ny tsy hanoratra sy hamaly ny fanamarihana nataonao. Voalohany aloha dia ny hevitra aposako eto amin’ny blaogy what-if dia manaja ilay atao hoe SPOV (Satirical Point Of View), izany hoe natao hampisehoana ny nify ary miezaka ny tsy ho sérieux mihitsy. Misy ihany ny cas d’exception indraindray, ary iniana hisy ireny ambiguité ireny. Fa ho an’ilay daka nahazo tao amin’ny serasera kosa, araka ny fifampiresahantsika sy izay voalaza teo ambony hoe efa vita ny réconciliation nationale, dia anteriko fa tsy nitarika alahelo na fahasorenana tamiko akory iny tranga iny, izay légitime satria nisy ny fampitandremana hoy aho saingy izaho tsy teo ambody ordi ka dia sahala amin’ny hoe izaho izany no niavona. Nivalona ny resaka saingy tsy aritro ny tsy hanitatra azy hatao billet aty. J’espère qu’on est tous cool maintenant et qu’on en rira encore.

    hery> fa maninona anareo kosa ny FAT? Tsy aleo FAT toy izay PE? FAT izany azo halavaina hoe Fikambanan’ny Ankolafy Telo, Fahefana Avon’ny Tatezana, … lol. Betsaka mihitsy ny diso fanantenana, ary na izaho tenako aza efa kivy manana io ps DotMG io rehefa miditra karajia fa tsy maintsy misy mi-pv foana, beurkkkk. Fa rehefa ela, haiko ihany ny minia tsy mahalala an-dry zareo.

  7. simp

    Wednesday, October 27, 2010 - 00:05:55

    aaa eee
    efa natao ny maputo sy ny addis-abbeba hita fa tsy manjary
    ny conferansy nasionaly izay nataon’ny solotenan’ny vahoaka marobe, dia mbola hisy sahy hiteny hoe unilaterale ihany ve?

    aoka hazava ny resaka an!!
    DotMG: Doty marina G

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment