Monday, October 11, 2010

Raha toa moa ka … dondrona noho ny V

Tany amin’ny fiandohan’ny volana febroary 2010 tany ho any aho dia nividy finday izay. Raha natao hoe maharitra 9 volana no ananako an’io finday io dia eo amin’ny 200 ar isan’andro eo ny amortissement-ny. Ankehitriny aloha izy dia mbola mandehandeha ratsy ihany, manondrana ny ôparlera ka rehefa misy miantso aho dia tsy mahare raha tsy atao “Mains libres” ilay izy.

Ankoatr’izay, misy menu “Torche” izay izy io, saingy tsy haiko mihitsy ny nandefa azy. Ny safidy dia hoe “Activer” sy “Desactiver” rehefa ao amin’io Torche io, saingy tsy mampirehitra ilay jiro LED kely mihitsy na inona na inona safidy atao. Nokarohiko ela ny handefasana azy fa e e e, angamba tsi-fetezana nandritra ny fanamboarana azy hoy aho.

Tian’i V ny milalao an’io findaiko io, indrindra rehefa eo am-pandriana eo izy, na dia vao 12 volana monja aza izy. 9 volana taty aorian’ny nahazoako azy, raha iny nomeko nolalaoviny iny ilay finday, dia gaga aho fa indro nirehitra ilay jiro kely. Fa ahoana hoy aho no nahaizan-dria nandrehitra azy ity? Noraisiko ilay finday, nokarohiko izay mety ho voatsindriny teo fa tsy hitako. I Smiley moa nahita izay fisehoan-javatra izay dia izy (5 taona) izay efa mahay miteny no nanoro ahy hoe ity bokotra ity no notsindriany ela be teo.

Hay kay ilay bokotra afovoany indrindra no tsindriana maharitra (eo amin’ny 4 segondra angamba), dia mirehitra ilay jiro, ary iny ihany no tsindriana maharitra dia maty ilay jiro. Fa ilay ary amin’ny menu hoe “Torche” dia mampandefa na tsia an’izay fonctionnalité izay fotsiny.

Misaotra akia ry zanako malalako, na indria no mahay be noho i Dada, na i Dada no tena sanàna be.

foza2pince.jpg

Tuesday, October 5, 2010

Raha toa moa ka … kely, fohy, raims fa … milay 2

Iray kilao latsaka fotsiny.

Manahoana daholo ianareo mpamaky. Ny lohateny ihany no itovizan’ity lahatsoratra ity amin’ilay Kely, fohy, raims fa … milay laharana voalohany fa ny votoatiny kosa dia resaka hafa mihitsy, resaka informatika.

Ity ilay kely, fohy, raims fa … milay, laharana faharoa :

http://js1k.com/demo/699

Jeu izy io, jeu d’échec, ifanandrinana amin’ny solosaina. Tsy mila na inona na inona afa-tsy navigateur. Ny haben’ilay jeu dia 1018 oktety (latsaka ny iray kilao satria 1024 oktety no atao hoe iray kilao na 1ko). Raha alainao sary an-tsaina hoe ny halavan’ny code source nanoratana ny navigateur Firefox ohatra dia rehefa zippé (compressé) dia 50 Mo (firefox 3.6.10), dia asa rehefa décompressé io dia mety mahita 100Mo izany hoe zato tapitrisa oktety. Miohatra amin’ilay lalaona eseky izay arivo oktety fotsiny, avo iray hetsy heny.

Kely, fohy fa … dada mihitsy aloha ry zalahy hoe litera miisa 1018 ahafahany mibaiko solosaina hanao lalaona eseky.

Iray kilao latsaka fotsiny.

Monday, September 27, 2010

Raha toa moa ka … tononkira mivalana

Na dia tsy fotoana tokony hanoratako mihitsy aza izao noho ny zavatra tokony hokarakaraina dia tsy laitra fa nitendry ny solosaina ihany. Vao tsy ampy herinandro akory aho no nieritreritra fa tsy hanoratra aloha raha tsy tonga ny volana oktobra dia gaga fa nahita hosoratana indray androany sady ohatry ny mila gala iray izay aho ka mba hiasa kely aloha.

Maro ny tononkira no eritreretintsika fa kitoatoa na nataotao foana, fa misy amin’izay ren’ny sofintsika koa ary raha tsy mandinika kely tsy mahita hoe tena vendrana be kay izay votoatin-dresaka izany. Ireto telo ireto aloha no hosinganiko manokana satria inoako fa mety tsy mbola hitanao ilay maha-vendrana azy (eny e, za kou lou sur fa tsy mpankafy Britney ianao mamaky io).

Voalohany, Britney Spears, Sometimes
Sometimes I run
sometimes I hide
Sometimes I’m scared of you
But all I really want is to hold you tight
Treat you right,
be with you day and night
Baby all I need is time.

Adika môtamô hoe “Njainjay za mitsoaka, njainjay mipitsika, njainjay mitsatsaka be, nefa za mba tena love be aminao maniry hiaraka aminao andro sy alina (sic)”

Afara kely indray mitohy hoe :
If you love me, trust in me
The way that I trust in you.

Adika môtamô hoe “Raha tena tia ahy ianao dia matokia ahy toy ny fomba atokisako anao”.

Eo le vendrana eo, ianao aza mitsoaka an’lé olona milaza matoky azy, izy koa zany angatahinao hitsoaka sy hiafina anao raha tia anao, doubleV té eff. Mba jôba kosa angamba ny auteur an’io

Faharoa : Paul Mc Cartney - Stevie Wonder, Ebony and Ivory

Ebony and Ivory live together in perfect harmony
side by side on my piano keybord oh lord why dont we?

Adika môtamô hoe : Ny ébène (hazo mainty) sy ny ivoara (nify fotsy) dia miara-miaina tsy misy rahoraho eo amin’ny piano, koa nahoana isika olombelona no tsy ho afaka?

Jerena amin’izay ilay hira dia toy ny hoe miady amin’ny fanavakavaham-bolon-koditra, fa rehefa alainao sary an-tsaina izany hoe mainty sy fotsy eo amin’ny piano izany dia ho tonga saina ianao hoe na ity no hira faran’izay raciste be (dia tena vendrana be izany i Stevie Wonder izay mainty hoditra mihira hira raciste), na izay namorona ny tonony no tena vendrana be. Satria nahoana?

Satria fa, … (somary avilana kely ny molotra manonona ny hoe Satria fa), ny anjaran’ny mainty eo amin’ny piano dia efa sady tsy manompoelana amin’ny fotsy (ny tiako holazaina amin’ilay hoe manompoelana dia hoe fotsy 1, mainty 1, fotsy 1, mainty 1, …), no ny halavan’ny mainty ihany koa dia natao fohifohy ihany raha miohatra amin’ny fotsy. Izany hoe raha maniry hanana fiainana mirindra tsy misy ady noho ny resa-bolon-koditra izany Raolombelona dia tokony homena ny toerana sahaza azy ny mainty, izay eo amin’ny ampahefany mahery kely ihany fa tsy azo atao be loatra ary tsy mitovy amin’izay azon’ny fotsy anjakazakana. Sady voafehy ho hendry tsara amin’ny toerana ametrahana azy ny mainty, koa raha ilay piano izao no takonana lamba ny tapany ambony dia tsy misy afa-tsy fotsy tsara rafitra no ho hitanao.

Fahatelo: Princio, Tia vehivavy
Tena tiako daholo ianareo mianakavy
Tsy an-kanavaka avy aiza sy avy aiza fa rehefa vehivavy e!!
Tsy jerem-bolon-koditra fa rehefa gasy
Tena manja daholo fa tsy misy ratsy e!

Saika azo ninoana saingy rehefa jerenao ny état civil an’lé bandy asaina mihira an’io hira io, izay tsy iza fa i Princio, dia ho kepoka ianao mahita fa Vzongo ny vadin’ilehiry. Pffff, Marina lesy Ra-Princio fa ny vehivavy en général somary tsy dia intello loatra kanefa aza atao an’izao kosa ny sipa Malagasy fa ny Malagasy ange no mendrika indrindra raha samy taranak’i Eva e.

Vita tompoko, andeha hividy sigara singany efatra hofohana amin’izay.