Monday, February 4, 2013

Ankamantatra

Inona ary izany, atosika ny vodiny dia mitsofoka ny lohany?

Ny zanako vavy fito taona no nanao an’izany ankamantatra izany tamiko. Sadaikatra aho ny hisaina sy hamaly an’ilay ankamantatra. llay zavatra eritreretiko toa heveriko hoe hafa mihitsy fa tsy ny valin’ilay ankamantatra, mikaroka valiny hafa tsotsotra kokoa anefa aho fa tsy mahita. Rehefa nanao afa-po aho dia nambarany ihany ny valiny: fantsika.

Devinette: on pousse l’arrière et l’avant pénétre.

Réponse: Clou.