Monday, February 25, 2013

Polisy misava taratasin’ny fiara

Nandeha nanao fitsangantsanganana tany amin’ny toera-malalaka andoavam-bola iray tany Vontovorona izahay omaly. Niarahana tamin’ny Zanaka am-pielezan’ny fiangonan-drazana izy io. Mahazo olona ry zareo tompon’ilay toeram-pitsangantsanganana, raha kely eo amin’ny olona 400 eo iny alahady iny fotsiny, izay mandoa 4.000 ariary isan’olona ho fidirana ao ny mihoatra ny 5 taona.

Soratra teny amin'ny rindrin'ilay parc

Afaka an’ilay tetezana hiakatra ny CUR Vontovorana iny, dia misy Polisy manao ny asany, nanakana anay. Nangataka hisava ny taratasin’ny fiara izy, ary rehefa hitany izany dia nalefany nandeha soamantsara izahay. Dia hoy ilay olona iray tao anatin’ny fiara : “Pôlisy tsss, fiara ohatr’itony koa ve rangaha dia andeha hosavaina!” “Fa inona ho’aho no mahasosotra anareo amin’ilay teo, tsy zavatra tena mahafinaritra ve hoe manao ny asany ilay Pôlisy? Ny manara-maso ny taratasin’ny fiara mifamezivezy no anisan’ny andraikitra andoavana ny karamany, ary miala avy amin’ny karazan-ketra aloantsika izany karama raisiny izany, koa tsy tokony ho faly ve isika rehefa manatanteraka izany asany izany izy.”

Efa lasa saika fahazarana tokoa fa dia ny fiara vaventy, kamiao sy mpitatitra, ny fiara mikarama toy ny fiara karetsaka ary ny fiara efa draokadraoka hatrany no mba voasava eny amin’ny fifamoivoizana eny, fa mahalana no misy fiara kely sy mba madiodio mba voasava izany. Amin’ny mpandeha avy ny toa lasa hoe fahotana ny misava ny fiara tsotsotra? Toy ny hoe ny Pôlisy izany dia tsy hisava ny taratasy raha tsy eritreretiny misy hihinanany ao?