Friday, March 1, 2013

Trondro sy haranjono (2)

Hatramin’izay dia tsy dia mba naharesy lahatra ahy loatra ny mandray anjara amin’ireny fiaraha-mientana ho fanampiana ny mila fanampiana ireny. Ohatra hoe SOS na Téléthon na ny toy izany. Ny hany mba nandraisako anjara dia nanampiana vazaha iray izay izay narary, ary tena noho ny valin-tànana tsy maintsy natao no nandraisana anjara fa tsy ny nanjo azy loatra akory no hoe nampalahelo ahy.

Ny manampy ny madinika mba nampazoto ahy ihany taloha, rehefa cas personnel, fa saingy efa tsy mazoto amin’izany intsony koa ankehitriny.

Dia nanjary kristianina niova fo aho noho ny toe-tsain’ireo izay milaza azy ho “madinika” na “mila fanampiana”, kanjo raha sanatria mahazo izay tadiaviny izy dia ianao mpanome no ihomehezany sy heveriny ho adala tsy misy saina, manana vola tsy omby paosy.
Amin’ny lafiny iray anefa, ny tena mahalala tsara hoe tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy. Koa rehefa niova fo, dia ny filamatra no ahitsy kely fa tsy dia hoe hijanona tsy hanampy sy hifanampy intsony. Ny manampy no tsy atao intsony fa ny mifanampy tsy misy maharatsy azy hatreto. Sarotra anefa ny mahita hoe iza no olona vonona hifanampy, ary iza ilay miandry fanampiana fotsiny.

Ka ny anaovana azy dia, izay olona rehetra tonga midodododo, milaza fa mila fanampiana, mangataka vola indramina, dia kilasiana ho isan’ireo izay mpanapoaka avy hatrany, na iza izy na iza, ary dia tsy homena izay hotadiaviny.

Fa ireo izay tsy mangataka kosa, ireny no hatonina dia anontaniana hoe “sao dia misy ketrika”. Dia anjaranao izany no mijery ny olona manodidina anao hoe iretsy olona iretsy tena olona mahay mitozo sy miketrika, fa raha mahazo tosika kely ireo mety mahavoaka zavatra tena milay, dia ianao no manatona azy, dia mandinika izay hahatomombana ny fiaraha-miasa sy hampisy vokany tsara avy amin’izany.

Rehefa tena dinihina, mety hampandroso firenena marina raha izay toe-tsaina izay no raisin’izay afaka manampy rehetra : tsy arakaraky ny fitarainana sy ny fahorian’izay mangataka no anomezana fa arakaraky ny fahitana ny fahaiza-mitantana sy mitsikaraka eo amin’ireo izay tsy mangataka.

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment