Tuesday, April 2, 2013

Fambotriana Malagasy

Tato ho ato dia nalaza ny fanapahan-kevitry ny OMERT izay mandrara ny fanaovan’ireo opérateur téléphonique ny tolotra maimaimpoana, ary voalaza fa ho fitsinjovana ny mpanjifa no anton’izany fanapahankevitra izany. Tsy laviko raha mieritreritra ny mpamaky hoe momba ny OMERT aho, fa ny tiako hambara kosa dia miendrika fambotriana ny Malagasy ny fomba fiasan’ireo orinasan-tserasera telo eto Madagasikara, dia ny Orange, Airtel ary Telma.

Raha ny saram-pifandraisana mantsy no jerena, dia mahagaga ny fiovany, ary ny tsikaritra dia ny Malagasy no botriana amin’ilay izy fa ny vahiny kosa no mahazo tombony. Ahoana no fomba anazavan’ireo orinasan-tserasera fa dia hoe any ho any amin’ny ariary sivy isan-tsegondra ny fifandraisan’ny samy Malagasy, iray tambazotra, amin’ny ankapobeny, nefa kosa ny antso mankany am-pitan-dranomasina dia tafidina hatrany amin’ny ariary dimy isan-tsegondra?

Ho an’ireo orinasa lehibe izay mampiasa serasera ihany koa, ary manana fahafahana miditra amin’ny tolotra flotte, dia lehibe dia lehibe ny elanelana, satria hatramin’ny 0ar isan-tsegondra ny saram-pifandraisana. Izany hoe ny vahoaka madinika dia azon’ny sarany mihoampampana ary ny efa ngezalahy sy matanjaka kosa, izay ireo vahiny miasa eto ihany no ankamaroany, dia mahazo sarany mora.

Marina fa misy ny tolotra toy ny Telma Mora sy Fun 15 na Fun 5, izay ahazoana fifandraisana amin’ny sarany takatry ny daholobe, saingy manana antoka ve ny mpanjifa ny amin’ny haharetan’ireny tolotra ireny, sady voafetra ho an’ny tambajotra mitovy ihany koa izy ireny, koa indraindray dia miteraka fandaniana mihoatra noho izay ilaina ihany. Mahazendana ihany koa ny mahita fa ny miantso amin’ireny taxiphone ireny dia vitan’ny ariary 100 ny minitra, nefa raha ny findainao no anaovana antso maharitra 1minitra, farafahakeliny in-dimy amin’izay no sarany tsy maintsy haloa.

Koa amiko, misy ny fanapahan-kevitra tokony horaisina eo amin’ny saran’ny fifandraisana, koa ny sarany ho an’ny daholobe dia tokony misy fetra ihany hoe tsy mahazo mihoatra ny 1.5 fois an’ny sarany mora indrindra amin’ny tolotra misy. Ny bandes passantes ampiasain’ireo orinasan-tserasera ireo dia an’ny Malagasy, koa tsy rariny raha ny sarany alaina amin’ny Malagasy midangana ery nefa ny sarany alaina amin’ny vahiny sy ny mpanambola kosa manakaiky ny maimaimpoana.