Saturday, April 6, 2013

Lany bala

Efa vita fampihavanana
Ireo karajia sy rima
Ka tsy mety miady intsony

Efa mandry am-piadanana
Irony vetso sy inspiraka
Ka tsy miainga f’efa tony

Ilay molo-behivavy
efa tataka sy sima
Tsy hainy intsony ny manonona

Dia feo kentsom-pamosavy
sisa no afaka maniraka
Ireo mpankafy mba hionona.

Raha tononkalo no antenaina
mbola andrasanao hivoaka
dia andrasonao eo i Paoly

Tena mbola mila daina
Mila setroka sy toaka
Mila fanendrena maoly

DotMG, 5 aprily 2013