Friday, September 27, 2013

Ny fampielezankevitro

Ry vahoaka Malagasy,
Tsapako ny tsy fitiavanareo an’ireo lazaina ho Mpitandro ny Filaminana, indrindra tato anatin’ny telo na efa-taona izao.
Koa manao fanamby aminareo aho, fa raha izaho no lanianareo ho Filoham-pirenena, dia havelako samy hitaritarika mpitandro ny filaminana iray avy ianareo vahoaka izay liana amin’izay etsy amin’ny 13 mai.
Koa misorata anarana dieny izao ao amin’ny QG fa izay misoratra anarana voalohany no hitaritarika mpitandro filaminana voalohany. Hisafidy ianareo na ho Polisy na ho Miaramila na ho Zandary no hotaritaritinareo eo amin’ny kidrô (goudron), ary halavirana 10 metatra isan’olona no hitaritaritana azy ireo.
Dia aza hadinoina ny mandeha mifidy amin’ny 25 oktobra 2013, ny soavaly laharana 69 ihany no antsika.

NY TOLONA TSY MAINTSY MANDRESY!

MOMBA ANTSIKA ANDRIAMANITRA!