Tuesday, January 15, 2019

Fitsinjaram-pahefana : fanendrena governora isam-paritra

Mandeha ny resaka fa mieritreritra hanendry Governora isam-paritra ny Filoha Andry Rajoelina.
Tsaroako tamin’ny fotoana nitondran’ny Filoha Ravalomanana fa nisy lafiny ratsy iny nametrahana ny Faritra 22 iny, lafy ratsiny zay asa na hitan’ny mpitantana foibe na tsia. Ny zava-nitranga tamin’izany dia tonga mandom-baravarana any amin’ireo orinasa antonony sy vaventy ireo “Chef de Région”, mangataka fanohanana ara-bola hoentina hampandrosoana ny faritra. “Mangataka” moa ny filaza azy, fa ilay fomba nentina nangataka dia misy fampitandremana ihany hoe mila “mahalala fomba” amin’ny fiaraha-miasa amin’itony mpitondra faritra itony raha mba te hisitraka fiaraha-miasa amin’izy ireo.

Raha ny hevitro, ny atao hoe fitsinjaram-pahefana dia fizaran’ny mpanatanteraka ny fahefana ananany sy ny fitaovana nomena azy ho amin’izany (ny pouvoir sy ny ressources) amin’ny vondrom-bahoaka na olom-boatendry na olom-boafidy hafa.

Koa raha olom-boatendrin’ny Filohampirenena no hiantsoroka ny asan’ilay Governora ho mpanatanteraka, dia tokony ho ny “ressources” ananan’ny Filohampirenena no hozarainy amin’ireo Governora ireo. Tokony hifanaraka tsara ny fahefana omena ilay Governora voatendry, ny loharanom-bola homena azy, ary ny andraikitra andrasana sy takiana aminy. Ny loharanom-bola izany dia tokony hoe avy amin’ny tetibolan’izay nanendry azy no anombinana. Tsy fitsinjaram-pahefana intsony kosa ny resaka raha sanatria ka hamoronana haba sy hetra haloan’ny vahoaka ho fampihodinana izany asan’ny Governora izany. Voalaza aloha fa ny fitondrana foibe no hamatsy vola ireo asan’ny Governora ireo, sady mpamatsy vola eto izy no mpanara-maso ny asa. Azo heverina ihany anefa ny fametrahana haba sy hetra vaovao raha toa ka hofidiana mivantana (Suffrage Universel) izany tompon’andraikitra izany. Raha izay, dia karazana péage amin’ny làlana vitan’ny Governora, na saram-pitsaboana avy amin’ny hôpitaly naorina no tokony ho azo ampiharina.

Raha ny lalampanorenana no vakiana, ny fahefana mpanatanteraka dia miainga avy amin’ireo hery ao amin’ny Antenimierampirenana, satria dia ny solombavambahoaka no manolotra ny anaran’izay ho Praiminisitra. Raha toa ny asan’ny Governemanta no hozaraina amin’ny Governoram-paritra, ary ny Filohampirenena no mitarika ny filankevitra isam-bolan’ny faritra, dia toa midika izany fa ny ampahan’io fahefana avy tamin’ny Antenimierampirenena io, dia nakisaka ho an’ny Filohampirenena madiodio. Tsy ny fisian’ny olona izarana asa no tena midika ho fitsinjaram-pahefana, fa ny fahaleovan-tena ananan’ny vondrom-bahoaka amin’ny fampandrosoana afaka tanterahiny. Raha tsy eo izay fahaleovan-tena ara-pahefana sy ara-bola izay, tsy fitsinjaram-pahefana loatra no amaritako izay zava-misy fa fitsinjaran’asa na fitsinjaran’andraikitra fotsiny ihany.