Tuesday, April 1, 2008

Raha toa moa ka … Tsy ho ampijaliana ny renintsika (1)

Diso tsipelina io lohateny io ka. Natao fanahy iniana mihitsy. Ny tena lohateny dia hoe “Raha toa moa ka … Tsy ho ampijaliana ny tenintsika”. Natao fanahy iniana nodisoana fotsiny io mba hanasongadinana fa rehefa misy diso ny tsipelina dia mety hampiova ny hevitra tian-kambara mihitsy. Koa aleo mandany andro kely manamarina ny tsipelina (raha hay) ary miezaka mianatra ny fanoratra marina arak’izay tratra.

Mba hiresaka momba ny mpanoritra aho anio.

1) Ny anarana Malagasy dia matetika efa misy mpanoritra miaraka aminy, toy ny hoe Rajao, Andrianampoinimerina, Ikoto, … koa tsy tsara ny hanasiana mpanoritra anankiroa mifanesy. Noho izany, dia tsy tokony hatao ny manoratra hoe i Rakoto, fa ilay hoe Rakoto fotsiny dia ampy.

Ohatra: Hoy Ravalomanana, fa tsy hoe Hoy i Ravalomanana, …

2) Misy mampifamadika matetika ny mpanoritra ny sy i. Ny fika tsotra atoroko dia atambatra amin’ny hoe hoy i na hoy ny ilay teny, dia izay metimety kokoa no tokony ho izy. Hoy ny fahitalavitra izao no mety noho ny hoe hoy i Fahitalavitra, dia raha hanoratra dia tokony hatao hoe hita tamin’ny fahitalavitra, fa tsy hoe hita tamin’i fahitalavitra.

Matetika, rehefa raisina toy ny olona (personne) ny zavatra tondroina ary amin’ny maha-tokana an’iny olona iny, dia i no mpanoritra ampiasaina: tamin’i Dada, i Madagasikara; ary rehefa zavatra iaraha-manana, ka ilay mpanoritra dia entina mampiavaka an’ilay zavatra (hoe anay ohatra), dia ny kosa no ampiasaina: faly ve ny mamanao? (jereo fa mety koa ny hoe faly ve i mamanao?)

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment