Wednesday, February 13, 2013
Sady fanina no tara
Alahady natokana hitadiavam-bola hanohizana ny asa fanitarana ny fiangonana no natao tamin’ny alahady teo. Vokatry ny Fanitarana no niantsoana azy, nasaina ho tonga eny an-toerana ireo Zanaka am-pielezana hanao ny anjara adidiny amin’izany.
Asa na izaho no efa nahazo “déformation professionnelle” amin’ity resaka tsipelina ity fa vao nijery an’ilay programa aho dia ilay tsipelina diso mivandravandra no hitako voalohany, ary tonga dia nalaiko sary tamin’ny finday mba havoakako eto amin’ny blaogy.
Asa na fifandrifian-javatra fa dia tsapako ho fanina izany ny mpitandrina tamin’io fotoana io, ary ireo Zanaka am-pielezana kosa indray dia tara ny ankamaroany, ka dia tanteraka ara-bakiteny ilay hoe Fanina Tara tao amin’ity fandaharana ity.