Thursday, February 28, 2013

Trondro sy haranjono (1)

Tsy fifandrifian-javatra velively tsy akory fa hala tahaka tsy misy henatra an’ilay resaka ao amin’ny blaogin’i Jentilisa ity soratako eto anio ity. Toa mitady ho lava mantsy raha any no hanoratra ny valin-kafatra dia aleo tohizana sy avadika resaka hafa aty ilay izy. Tsy mirazotra rahateo ny lalan-dresaka fa ny azy fiainam-piarahamonina ankapobeny, ny ahy kosa resaka personnel.

Resaka fanampiana ny hafa no atao, ilay ohabolana sinoa (ny ahy tsy asiako haitso) dia milaza hoe raha manome trondro ny namanao ianao dia manome azy sakafo indray mihinana, fa raha manome haranjono azy kosa dia manome azy anto-pivelomana.
Saingy tsy mifanaraka amin’ny vanim-potoana sy ny toe-tsain’ny olona ankehitriny kosa izany.
Nisy raiamandreny izay, angatahin’ny “mila” vola 200.000 ar izy ohatra fa hoe misy fikatsoana ny asa, ary mampanantena fa hamerina ny vola afaka 2 volana, dia omeny 2.000 Ar ilay olona sady ataony hoe “Iny no afaka omena dia tsy maninona aza averina intsony!”. Raha atao mirazotra amin’ilay resaka trondro sy haranjono teo izany, dia rehefa indraman’ny namany haranjono izy (indramina, averina afaka fotoana vitsy) dia aleony manome trondro indray mihinana. Nony efa raim-pianakaviana aho, afaka manampy sy mila fanampiana amin’ny hafa, vao azoko ny tena fahendrena ao anatin’izay fanapahan-keviny izay, sy ny tena mahamety azy. Tsy haratsiam-panahin’ny mpanome io, fa tena fahasimban’ny toe-tsain’ny ankamaroan’ireo milaza fa mila fanampiana. Firifiry ireo namako izay nilaza fa mindrana, kanjo avy eo minia tsy mamerina izay nindraminy intsony? Izao izany no ao an-tsain’ny olona izay nahazo rehefa avy nindrana : “Nahazo vola adala tompo sy tsy omby paosy indray aho e!” Tsy mampaninona azy ny mandrava ny fihavanana sy ny maha-mpinamana, tsy mampaninona azy ny mitsoaka anao isak’izay afaka mihaona, tsy mampaninona azy ny miavona sy tsy mamaly izay fiezahanao hanisy fifandraisana, fa ilay vola laniny, nolazainy fa haverina nefa tsy ho averiny intsony mihitsy no lasa sakana, efitra mampisaraka, ary antony hanapahana ny fifandraisana efa mitoetra. Tamin’izay olona maro izay nanaovako fifanarahana ara-bola, dia ireo tena “namana atokisana” na “havana akaiky” no “manapoaka” tsy tahotra tsy henatra.

Koa raha tianao ny fihavanana amin’ny namana na izay olona milaza fa mila fanampiana aminao, AZA MANOME, na manomeza fa saingy taolan-trondro indray mihinana omena fa ny haranjono tsy fampindrana.

Mbola hitohy …

  1. jentilisa

    Friday, March 1, 2013 - 17:05:51

    Ity resaka ity ihany koa dia marina. Ary misy ny tena mahay mandresy lahatra tsy misy toy izany.

    Ary tsorina fa efa voa ihany koa aho… Ary ny mampihomehy dia io tahaka ny lazainao io mihitsy. Ianao indray no mitady hiresaka aminy nefa izy miavona…

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment