Monday, April 29, 2013

Vavak’izy sivy amby efa-polo mianadahy.

Vavaky ny voalohany: Tompo a, nilatsaka aho androany fa mba ataovy lany.
Valim-bavaka voaray: Eny, ho lany ianao.
Vavaky ny faharoa: Tompo a, nilatsaka aho androany dia mba ataovy izaho no lany.
Valim-bavaka voaray: Eny, ho lany ianao.
Vavaky ny fahatelo: Tompo a, nilatsaka aho androany dia mba ataovy izaho no ho lany
Valim-bavaka voaray: Eny, ianao no ho lany
Vavaky ny fahefatra: Tompo a, nilatsaka aho ary ataovy mpandresy
Valim-bavaka voaray: Eny, mampanantena fandresena ho anao ny Tompo.
… etsetra, etsetra, …

Volana vitsy taty aoriana, kivy, mai-molotra, miverina eo amin’ny Tompo, manontany :
Voalohany: Ary ianao ry Tompo kay mamitaka, toa tsy lany akory aho nefa ianao nampanantena?
Valin-tenin’ny Tompo: Tsia, tsy namitaka aho ka, nangataka ny ho lany ianao dia lany vola aman-karena,
Faharoa: Toa namitaka ahy ianao ry Tompo, toa tsy izaho indray no lany, sady na ny isam-bato azo aza tsy ampy zato akory?
Valin-tenin’ny Tompo: Lany mihitsy ianao ka, tena lany henatra tanteraka.
Fahatelo: Tompo a, fa naninona no tsy lany indray aho nefa efa nanantena?
Valin-tenin’ny Tompo: Lany mihitsy ianao ka, lany herim-po sy lany fanantenana.
Fahefatra: Tompo a, nofitahinao aho fa tsy nomenao an’ilay fandresena nampanantenainao akory?
Valin-tenin’ny Tompo: Nandresy mihitsy ianao ka, resinao ny hevi-diso teo aminao nihevitra fa ianao no ho vahaolan’ity firenena ity, nandresy ny fakam-panahy izay hahazo izay olona tena lany ianao…

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment