Sunday, April 6, 2008

Raha toa moa ka … asiako patanty ny teny hoe What if?

Tato ho ato dia tsikaritra fa misy ny namana mampiasa tsy mahazo alalana an’ilay teny kely hoe “Raha toa moa ka …”. (Raha toa moa ka … i Jesoa no eto amin’ny toerako?, …) Ity blaogy ity moa tsy dia misy mpitsidika firy, ary na misy mpitsidika aza, sady misy Ads, dia lasan’i Sefobe ihany ny sôsy fa tsisy ho ahy, koa dia nahita hevitra anankiray aho hampidirana vola amin’ny alàlan’ity blaogy ity.

Nakako patanty tany amin’ny OMAPI ny fampiasana ny teny hoe “Raha toa moa ka …” sy ny hoe “Et si …” ary ny hoe “What if …”. Koa izay mampiasa an’ireo teny ireo any amin’ny blaoginy, na tsy mamafa an’izany any amin’ny blaoginy raha efa nampiasa taloha, dia mandoa vola 1Ariary aty amiko, isan’andro, isaky ny misy mitsidika ilay pejy. Marihina fa ny 0.3 ariary amin’io vola io dia mbola omena an’i sista-karine satria tany aho no naka style.

  1. Tahina

    Friday, September 26, 2008 - 10:37:55

    Ra “And if … ” ngamba no ampiasako mety tsy maninona eh?

  2. DotMG

    Friday, September 26, 2008 - 10:41:14

    Tamin’ny nisolo servera ny blaogy What if … dia very ny fanamarihana efa napetraky ny olona teto taloha, fa nisy nanoro hevitra tamin’izany hoe ny fikan’ny sinoa hono dia ataony hoe “Laha toa moa ka …” na “Waht if …” dia tsy voapaingotr’ilay patanty izy. Fa raha hoe “And if … ” koa aloha dia mety e! :D:D Tsy mandoa sôsy aty amiko. hihihi

  3. Tahina

    Friday, September 26, 2008 - 15:49:31

    lol siks eh :)

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment