Monday, September 17, 2012

Raha toa moa ka … Malagasy mahavita azy

Isika malagasy dia manana an’izay toetra anankiray izay hoe ohatry ny faly rehefa mba mahita anarana Malagasy eny amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nihaino fandaharana rivotra tao amin’ny radio RDJ aho, dia nilazan’i Gothlieb fa Malagasy, i Hervé Rakotofiringa, no compositeur-n’ny mozika tamin’io tantara io. Mbola tsy nahita an’ilay tantara aloha aho fa dia amin’ny fotoana hahafahako mijery azy dia hotsofin’izay rivotr’i Goth izay ny ho fomba fijeriko an’io tantara io, ka dia ny sofina no hihaino kokoa handinika ny maha-tsara marina an’izany hoe mozikan’io tantara io izany.

Fa eo amin’ilay hoe mahita Gasy mba miseho anarana io dia ohatry ny midika hoe miracle mon ami izany hoe hisy malagasy mba hanao compositeur de musique ana film malaza izany, ka mendrika hotoriana ho ren-tany ho ren-danitra koa fa dia mba misy misongadina ihany ny Gasy. Asa re ny vahiny raha manana fisainana ohatr’izany hoe io misy italianina na afrikanina tatsimo mahita mpiray tanindrazana aminy manao zavatra any Amerika dia toa mahatsiaro hampom-pom-pirenena sy fitiavan-tanindrazana ao anatiny ao?

Asa… raha miendrika ny ankalazaina ihany ny Malagasy mba manao zavatra dia aleo koa ary aho mba hampahafantatra anareo fa misy Malagasy ihany koa, manan-talenta amin’ny sary, ao ambadik’ilay animation hoe “Angelo la Débrouille”. Nisy fotoana nahitako an’io tantara io tao amin’ny RTA fa dia tsara koa aloha ny sariny e! Fa izao, aza afangaro amin’ny mpanao politika le bandy Gasy manan-talenta ity fa anarana tanim-boanjo an, tsy fidiny azy ny hitovy anarana amin’ny mpanao politika, fa mba ataovy aminao ny toerana hoe mba nataon’ny Ray aman-dReninao hoe “Daniel Ramaromisa” ohatra ny anaranao.

https://www.google.mg/search?q=andry+rajoelina+Angelo+la+debrouille