Tuesday, October 5, 2010

Raha toa moa ka … kely, fohy, raims fa … milay 2

Iray kilao latsaka fotsiny.

Manahoana daholo ianareo mpamaky. Ny lohateny ihany no itovizan’ity lahatsoratra ity amin’ilay Kely, fohy, raims fa … milay laharana voalohany fa ny votoatiny kosa dia resaka hafa mihitsy, resaka informatika.

Ity ilay kely, fohy, raims fa … milay, laharana faharoa :

http://js1k.com/demo/699

Jeu izy io, jeu d’échec, ifanandrinana amin’ny solosaina. Tsy mila na inona na inona afa-tsy navigateur. Ny haben’ilay jeu dia 1018 oktety (latsaka ny iray kilao satria 1024 oktety no atao hoe iray kilao na 1ko). Raha alainao sary an-tsaina hoe ny halavan’ny code source nanoratana ny navigateur Firefox ohatra dia rehefa zippé (compressé) dia 50 Mo (firefox 3.6.10), dia asa rehefa décompressé io dia mety mahita 100Mo izany hoe zato tapitrisa oktety. Miohatra amin’ilay lalaona eseky izay arivo oktety fotsiny, avo iray hetsy heny.

Kely, fohy fa … dada mihitsy aloha ry zalahy hoe litera miisa 1018 ahafahany mibaiko solosaina hanao lalaona eseky.

Iray kilao latsaka fotsiny.

Monday, September 27, 2010

Raha toa moa ka … tononkira mivalana

Na dia tsy fotoana tokony hanoratako mihitsy aza izao noho ny zavatra tokony hokarakaraina dia tsy laitra fa nitendry ny solosaina ihany. Vao tsy ampy herinandro akory aho no nieritreritra fa tsy hanoratra aloha raha tsy tonga ny volana oktobra dia gaga fa nahita hosoratana indray androany sady ohatry ny mila gala iray izay aho ka mba hiasa kely aloha.

Maro ny tononkira no eritreretintsika fa kitoatoa na nataotao foana, fa misy amin’izay ren’ny sofintsika koa ary raha tsy mandinika kely tsy mahita hoe tena vendrana be kay izay votoatin-dresaka izany. Ireto telo ireto aloha no hosinganiko manokana satria inoako fa mety tsy mbola hitanao ilay maha-vendrana azy (eny e, za kou lou sur fa tsy mpankafy Britney ianao mamaky io).

Voalohany, Britney Spears, Sometimes
Sometimes I run
sometimes I hide
Sometimes I’m scared of you
But all I really want is to hold you tight
Treat you right,
be with you day and night
Baby all I need is time.

Adika môtamô hoe “Njainjay za mitsoaka, njainjay mipitsika, njainjay mitsatsaka be, nefa za mba tena love be aminao maniry hiaraka aminao andro sy alina (sic)”

Afara kely indray mitohy hoe :
If you love me, trust in me
The way that I trust in you.

Adika môtamô hoe “Raha tena tia ahy ianao dia matokia ahy toy ny fomba atokisako anao”.

Eo le vendrana eo, ianao aza mitsoaka an’lé olona milaza matoky azy, izy koa zany angatahinao hitsoaka sy hiafina anao raha tia anao, doubleV té eff. Mba jôba kosa angamba ny auteur an’io

Faharoa : Paul Mc Cartney - Stevie Wonder, Ebony and Ivory

Ebony and Ivory live together in perfect harmony
side by side on my piano keybord oh lord why dont we?

Adika môtamô hoe : Ny ébène (hazo mainty) sy ny ivoara (nify fotsy) dia miara-miaina tsy misy rahoraho eo amin’ny piano, koa nahoana isika olombelona no tsy ho afaka?

Jerena amin’izay ilay hira dia toy ny hoe miady amin’ny fanavakavaham-bolon-koditra, fa rehefa alainao sary an-tsaina izany hoe mainty sy fotsy eo amin’ny piano izany dia ho tonga saina ianao hoe na ity no hira faran’izay raciste be (dia tena vendrana be izany i Stevie Wonder izay mainty hoditra mihira hira raciste), na izay namorona ny tonony no tena vendrana be. Satria nahoana?

Satria fa, … (somary avilana kely ny molotra manonona ny hoe Satria fa), ny anjaran’ny mainty eo amin’ny piano dia efa sady tsy manompoelana amin’ny fotsy (ny tiako holazaina amin’ilay hoe manompoelana dia hoe fotsy 1, mainty 1, fotsy 1, mainty 1, …), no ny halavan’ny mainty ihany koa dia natao fohifohy ihany raha miohatra amin’ny fotsy. Izany hoe raha maniry hanana fiainana mirindra tsy misy ady noho ny resa-bolon-koditra izany Raolombelona dia tokony homena ny toerana sahaza azy ny mainty, izay eo amin’ny ampahefany mahery kely ihany fa tsy azo atao be loatra ary tsy mitovy amin’izay azon’ny fotsy anjakazakana. Sady voafehy ho hendry tsara amin’ny toerana ametrahana azy ny mainty, koa raha ilay piano izao no takonana lamba ny tapany ambony dia tsy misy afa-tsy fotsy tsara rafitra no ho hitanao.

Fahatelo: Princio, Tia vehivavy
Tena tiako daholo ianareo mianakavy
Tsy an-kanavaka avy aiza sy avy aiza fa rehefa vehivavy e!!
Tsy jerem-bolon-koditra fa rehefa gasy
Tena manja daholo fa tsy misy ratsy e!

Saika azo ninoana saingy rehefa jerenao ny état civil an’lé bandy asaina mihira an’io hira io, izay tsy iza fa i Princio, dia ho kepoka ianao mahita fa Vzongo ny vadin’ilehiry. Pffff, Marina lesy Ra-Princio fa ny vehivavy en général somary tsy dia intello loatra kanefa aza atao an’izao kosa ny sipa Malagasy fa ny Malagasy ange no mendrika indrindra raha samy taranak’i Eva e.

Vita tompoko, andeha hividy sigara singany efatra hofohana amin’izay.

Thursday, September 2, 2010

Raha toa moa ka … tapaka hatreo ilay tateza-mita.

Amin’ny fiteny anglisy.

Hi, DotMG. We’re sorry to inform you that your link to Twitter has been disabled. We no longer seem to have permission to update your Twitter status. (Did you revoke Identi.ca’s access?)

You can re-enable your Twitter bridge by visiting your Twitter settings page:

https://identi.ca/settings/twitter

Regards,
Identi.ca

======

Efa volana vitsivitsy izay no nilazako fa hofaranako hatreo ny fampiasako ny twitter, ary efa nanondro ny datin’ny 12 septambra aho ho daty farany hampiasako an’io compte twitter io. “L’exemple vient d’en haut”, amin’ity fanondrotondroana daty ity, sahala amin’ny hoe mba sérieux ianao mantsy rehefa manonontonona daty.
Efa aman-taonany aho ny tena marina dia miaina tanteraka ao amin’i Identica ho an’ny microblogging, ary izay soratako ao amin’ny identi.ca ihany no mivoaka any amin’i Twitter sady mankany amin’ny Facebook. Izany hoe eo izany no misy tateza-mita mampita ny hevitra avoakako any amin’iretsy service roa hafa iretsy.

Tsy vao ity no andrana voalohany nialako an’i Twitter fa efa nisy fikasana voalohany saingy tsy nety satria ny namana sy ny adihevitra mafana nijanona tao amin’i Twitter avokoa, dia izay no nanaovana an’io tateza-mita io, izay tsy noeritreretina haharitra ela loatra fa eo amin’ny 2 taona eo farafaharetany.

Androany anefa dia naharay hafatra avy amin’i Twitter aho, izay milaza ny fanovana vitsivitsy hisy ao aminy.

Update 1: New authorization rules for applications
Update 2: t.co URL wrapping

Noho ilay fanovana voalohany aloha dia indrisy fa tapaka izany ny tateza-mita mampifandray an’i Identi.ca sy Twitter, ary dia tsy ela ny valin-kafatra avy any amin’i Identi.ca io ambony io. Tsara ho an’i Twitter izay, ny ahy izany ny faran’ny tateza-mita naroso 11 andro fa tsy mihemotra lava ohatra ny an’ny hafa. Ilay fanovana faharoa kasain’i Twitter hatao ihany koa dia tsy fanovana ho amin’ny tsara io amiko satria mampihena ny safidin’ny mpampiasa azy ny amin’izay url shortener mba tiany. Tena mbola mainka jadona noho ny teo aloha aza no mitranga. Betsaka ny antony hafa mety mahatonga ny olona iray hampiasa url shortener, fa tsy voatery hoe hanafohezana ny URL fotsiny ihany. Ao ohatra ny fandinihana na analyses ny isan’ny olona manaraka an’iny rohy iny, … izay mety ho tsy hita maso noho ny afitsoky ny Twitter. Raha hoe ilay rohy http://nd.dg/e ohatra alefa amin’i twitter mety ho lasa lava kokoa indray …

Koa ambara amin’ny fomba ofisialy etoana fa mitsahatra hatreo ny fampiasako an’i Twitter, fa raha te hanaraka ny updates-ko amin’ny micro-blogging ianareo dia ao amin’i Identi.ca no misy ahy ankehitriny.

http://identi.ca/DotMG

========

Why identi.ca rocks?

Amiko aloha i Identi.ca dia tsara lavitra noho i Twitter, betsaka ny antony fa ireto aloha no tsongaiko :

1) in_context. Rehefa mifamalivaly sy mitohy ny updates dia lasa resaka itambarana izy io. Ao amin’i Twitter dia misy ilay rohy hoe “In reply to” izay ahitanao ny update iray novalian’ny update iray, fa ato amin’i Identi.ca kosa dia misy rohy hoe “in_context” izay afaka hahitanao ny resaka iray manontolo hatramin’ny voalohany hatramin’ny farany. Jereo anie ohatra ity iray ity e: http://identi.ca/conversation/47294282. Indraindray dia ampiasaiko koa io hanohizako ny update-ko rehefa mifampitohy ny hevitra tiako hambara ka tsy voazava anaty litera 140, ohatra http://identi.ca/conversation/47157028

2) Groups : Ao amin’i twitter dia izay olona iabonnevanao ihany no voarainao ny update-ny, miampy an’izay retweet ataon’ny namanao. Izany hoe raha misy olona X, miresaka momba ny fiainany amin’ny teny sinoa, ary mandefa hatsikana amin’ny teny anglisy tsindraindray, ka mba te hanaraka ny hatsikana falefany ianao, dia mila mi-abonner aminazy, dia ny lafy ratsin’izay dia mahazo ny teny sinoa rehetra alefany ihany koa.
Ao amin’i Identica kosa, misy ny atao hoe group, ohatra http://identi.ca/group/humor, izay ahitanao ny update rehetra miresaka momba ny humour. Dia miditra mpikambana amin’io vondrona io ianao dia mahazo izay update alefa amin’io vondrona io, izany hoe izay momba ny humour rehetra, na dia amin’ny olona tsy fantatrao mihitsy aza fa mpikambana ao amin’io vondrona io. Vondrona iray tsara ihany koa ny quote http://identi.ca/group/q.

3) GoogleJuice : Ao amin’i Identica ny rohy alefanao dia tsy misy rel=nofollow sady tsy terena hampiasa url shortener ianao raha antonona 140 litera ny update miaraka amin’ilay rohy. Izany hoe raha manana falaoera 100 ianao, ka mandefa rohy iray dia miseho any amina pejy 100 izany iny rohy nalefanao iny, ka ny site dia lasa mora miseho kokoa amin’ny fikarohan’i Google.

4) Open source, Open content. Raha misy hitanao azo hatsaraina na misy lafiny tsy dia tianao, dia afaka manokatra ny service-nao manokana amin’ny alalan’ny rindrankajy statusnet izay mampandeha ny identi.ca ianao izay mety hovainao kely, dia ataovy amin’izay tianao. Ianao no tompony.

5) Tsy maty lava tahaka an’i Twitter Over-Capacity.

6) XMPP : Ho ahy manana gmail dia atsofoko ho namana ao amin’ny gmail chat fotsiny i update@idAnti.ca dia eo @ gmail chat eo no handraisako ny notice vaovao, sady afaka andefasako notice ihany koa. Milay be io rehefa mampiasa finday ambany karazana aho satria sady afaka miresaka mivantana amin’ny namana no manaraka ny resaka ao amin’i identi.ca ihany koa. Ny finday ambany karazana mantsy tsy afaka manokatra application J2ME 2 amin’ny fotoana iray fa mila hidiana aloha ny iray raha hanokatra iray hafa, koa raha twitter no ampiasaiko dia hidiana aloha ny chat (izany hoe voatery manao offline amin’ny namana aloha, manokatra ny twitter for mobile, mijery tweets kely sy mandefa, dia manidy an’iny ary miverina manokatra chat indray.) Fanampin’izay, ny updates azoko rehetra dia voatahiry ao amin’i Gmail avokoa, ka raha sendra ny hoe tsy mandeha ary i Identi.ca fa over-capacity koa ohatra any aoriana any, dia afaka mikaroka ao amin’ny arsivan’i Gmail indray aho.

=====

Does Identi.ca Suck?

Ireto aloha no tsiny lehibe ananan’i identi.ca

1) Tsy mety mifindra mankany amin’i identi.ca ny namana efa anananao. Misy ny voatarika vetivety hanokatra kaonty ao amin’i identi.ca fa rehefa mahita ny namana hafa tsy manaraka dia aleony mijanona ao amin’ny jadon’i Twitter ihany. Any bebe kokoa ny akama tsinona.

2) Spam. Noho ilay lafy tsarany faha-3 voalaza etsy ambony dia misy ny faly mandefa spam any amin’ireny group ireny, izany hoe ianao izany dia maharay hafatra tsy irina rehefa abonné amin’ireny group ireny. Arakarak’ilay group idiranao io, fa ho ahy aloha dia mba azo ihafiana ihany ny isan’ny spam azoko.

Thursday, August 26, 2010

Et si … pénurie de cure-dents

Pénurie de cure-dents dans les restaurants de la capitale de Madagascar.

L’information peut être anodine ou sans intérêt, mais si vous fréquentez les restaurants et les grands hôtels à Madagascar, vous auriez remarqué que les cure-dents, ces petits bouts de bois qu’on utilise pour nettoyer les dents après avoir mangé sont introuvables nulle part.

Nous avons demandé à une serveuse au Coffee Bar à Antanimena, et elle a répondu que depuis 4 jours, tout à coup, les clients, notamment les vazaha, réclament ces cure-dents et curieusement, leur stock de cure-dents était subitement liquidé. Même histoire dans un autre restaurant.

Enfin, nous avons cherché sur internet et avons trouvé une cause probable. Une fausse information se répand actuellement, comme quoi les cure-dents de Madagascar sont fabriqués à l’aide de bois de rose, ce bois si précieux qu’on ne connaissait que quelques mois avant l’éviction de Marc Ravalomanana du pouvoir.

Les vazaha sur place se ruent alors vers les restaurateurs et essayent d’en collectionner le maximum. C’est fou ce que le gens peuvent gober n’importe quoi qui s’écrit sur internet.

Wednesday, July 28, 2010

Raha toa moa ka … yrdnamidon

Namaky kely ny dinik’ingahy simplex aho omaly. Ny ahy indray raha vao resak’ingahirainy io na fohy na lava voavakiko soa aman-tsara foana. Indraindray moa raha somary fohy ilay izy dia mety ho voavakiko in-droa, in-telo mihitsy aza. Dia lasa ny saiko momba ny filazana manjo rehefa namono tena ilay havana nodimandry.

Amin’ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty …

Tsy haiko aloha fa raha mino ny resaka helo sy paradisa ny fianakaviana, dia aleo tsy manantena ny fitsanganan-ko velona satria dia toa midika fa rehefa hitsangan-ko velona izany ilay rahavana namono tena dia lasa any amin’ny helo. Ilehiry nandatsaka aina dia avy eo mety ho tsy nanam-potoana ibebahana intsony fa iny dia jaingy koa.

… no ampandrenesanay anareo fa nantsoin’ny Rainy hody any aminy …

Fanelezana Vaovao Tsy Marina! Sady tonga dia Andriamanitra mihitsy ve no lazaina ho nanao izay tsy nataony? Tsy Izy no niantso fa ilay namono tena no nilitility tonga tsy nantsoina ohatry ny vinanto tsy mahare fosa. Sady mety mety tsy lasa nody any amin’ny Ray koa fa mety nody any amin’ilay Raikely Belza tompon’ny helo.

Ka dia tokony hatao toy izao ny filazana manjo rehefa amin’ny tranga famonoan-tena :

Amin’alahelo sy henatra be no ampandresanay anareo noho ny fihavanana fa nanapitra ny tantarany ny havanay Rabeniomby sy Ravolahanta.

Amennnnnaaaaaaaaaaaaaaaaa!

Tuesday, July 20, 2010

FOSA OLANA

FOSA OLANA.

Indray andro hono dia nisy efa-bavy
niresaka momba ny fanambadiany
Dia samy nifosa an’ireo vadiny avy
nifampitantara ny fomban’ny tiany.

Dia resaka izao, tsy nisy arofanina
na tsiambaratelo fa indro: nisosa
Ny mihaino azy indray no toa mahavalalanina
Fa lalina ireto bajô raha hifosa

Ny ahy hoy ny iray, miaramila tantsambo
Tsy azo baikona izy f’azy ny didy
Tsy laitra dohika, mpidingina rambo
Ny vadiny kosa tsy manan-tsafidy.

Rehefa izy no manina ka mila vady
Tsy maintsy eo no eo no anefana ny adidy
Fa raha mba ianao kosa indray no mitady
Tsy manana zo ny amin’izay hangidihidy.

Raha azony ianao tena mahita faisana
Sokafany avao izay rehetra mihidy
Mpitaingin-tsoavaly va re no iraisana
no mihazona mafy sy miridiridy?

Mpitsabo mpandidy ny ahy, hoy ilay faharoa
Nahavita fianarana be tany andafy
Maro no tsara tia azy tokoa
Kanefa izy kosa tsy mba mampirafy.

Be taona izy nefa dia mbola mirija
Matanjaka fa tsy be setra higafy
Ny fiaviny avao tsy mba ora-mikija
Fa toa erikerika mora fifafy.

Fahaiza-manaony tsy misy madilana
Fa tsoda no tsininy kely mampihafy
Ny molony mantsy somary mivilana
Ka saokako indray no voaoroka mafy.

Ny anay mise au vert efa saika ho mazàna
Hoy ilay fahatelo somary nivalo,
Ny afom-pitiavana tsy mba tamàna
hitoetra ao an-trano f’indrisy mandalo.

Mpitandrina hono izy, mazoto mivavaka
Ka Belzeboba no atao fahavalo
Variana amin’izay dia tsy mahita lavaka
Mandositra adidy, miery, mimalo.

Fanahy no tolomina mandavan-taona
Io no itetezana izao lafivalo
Ny nofoko kosa, indrisy misaona
Toa zary voankazo voapoizina kalo.

Ny anay aza retsy, hozy ity farany
Tonga dia lasa, eny, zara raha mihelina
Tsy maharitra ela tokoa ny tantarany
Tsy misy hotsakoina fa dia indray mitelina

Taloha izy anefa soavaly tanora
Lava sy mafy toa zaran-dapelina
Fa antitra kosa izao ka goragora
mikainkona kely toa garanadrelina.

Dia asa na izy no mamilafila
Na ilay adidy no manelingelina
Sa reraka loatra nikiky kapila
Ka tsy hahavita intsony fa efa domelina?

DotMG - Tononkalo Miala Sakana (19 jolay 2010)

Monday, June 21, 2010

Raha toa moa ka … tsy mba hahita Barea manao mondial mandra-pahafaty

Resaka baolina.
Rehefa hoe afrikanina hono dia manjary te-hanohana ny ekipa afrikanina. Ny ahy tsy dia noho ny hoe afrikanina loatra no antony aniriako ny handresen’ny ekipa afrikanina, fa mba hitsinjovana ny ho avy.

Ity resaka fiadiana ny amboara eran-tany ity mantsy, misy raikipohy henjana ny fikajiana hoe firenena firy no tokony hisolo tena ny kaontinanta iray, ka arakaraky ny vokatra azon’ny kaontinanta eo amin’ny sehatry ny amboara eran-tany no hanomezana isa io kaontinanta io, dia mivoaka arakarak’izay ny hoe tokony ho firenena firy no avy ao amin’io kaontinanta io no handray anjara amin’ny amboara manaraka.

Taloha isika afrikanina dia efatra ihany no tafakatra any amin’ny dingana faran’ny amboara eran-tany. Dia tamin’ny andron’i Roger Milla dia hoe nampiana iray mba ho dimy fa efa misy fivoarana ny fahaizan’i Afrika milalao baolina. Tamin’ity 2010 ity dia enina mihitsy no isan’ny firenena satria moa i Afrika Atsimo efa mpampiantrano rahateo.

Rehefa jerena anefa ny voka-dalao hatreto, dia, andraso anie hojerena e :

Isan’ny lalao nataon’ny Afrikanina (tsy isaina i Lafrantsa sy Italia fa ny tena afrikanina) : 12
Isan’ny baolina tafiditry ny afrikanina : 6 (antsasaka baolina isaky ny lalao), ary ny an’ny Ganéanina amin’ireo, miisa 2 dia tamin’ny alàlan’ny penalty hatrany.
Tontalin’ny isa azo : 7, fandresena tokana, ady sahala efatra, faharesena zato sy arivo. Ny Ganéanina amin’io tsy hay na manao tsolotra avo lenta na manao ody gasy (ody gané mantsy e) fa dia mandresy amin’ny tsy rariny.

Rehefa ireo izany no hatambatra dia karazandrazan’ny hihena ho efatra indray ny ekipa afrikanina hanao mondial amin’ny 2014 (raha mbola tsy tonga ny farany dia tsy ho foana ny fanantenanao). Isika anefa dimampolo mahery, vao mainka tsy azon’ny saina hoeritreretina hoe hahita Barea manao mondial aho alohan’ny hahafatesako.

Tsetsatsetsa farany : pronostic-ko aloha dia 18 ny isan’ny lalao hataon’ny afrikanina amin’ity mondial ity. Tsy haiko tamin’ny 2006 na 17 na 18 no isan’ny lalao nanaovan’ny afrikanina.

Wednesday, June 16, 2010

Raha toa moa ka … Tia Tanindrazana.

Samy tia tanindrazana daholo na izay manangan-tsaina na izay tsy manangan-tsaina, ankoatra ahy.

Ireo izay manangan-tsaina dia maneho ny maha-malagasy azy, hafa anivon’ny samy Firenena, tsy menatra ny mijoro, nahatafaverina ny fahaleovan-tenany dimam-polo taona lasa izay.

Ireo izay tsy manangana noho ny firehana politika dia maneho ny fitiavany an’i Madagasikara, satria mbola tsapany fa tsy mbola azo tanteraka ny fahaleovan-tena ary mbola ao anatin’ny tolona ho famerenana ny fiandrianam-pirenena tena izy izy. Tsy mbola misy angamba ny Malagasy manangana saina fotsy izay midika hoe milavo lefona, fa ireo izay misafidy ny tsy hanangan-tsaina dia raha manangan-tsaina aza dia saina miloko maitso, midika fa mbola manantena fa ho avy tsy ho ela ny fandresen’ny tolony.

                          
                          
                          
                          
                          
                          

Izaho irery no tsy tia tanindrazana satria izao no fanazavana : Tsy manangan-tsaina aho ankehitriny. Tsy noho ny antony politika sy ara-poto-kevitra anefa fa dia noho ny tsy fisian’ny saina fotsiny tsotr’izao. Tsy manan-tsaina aho ary tsy mbola vita biodizé ny hoe hividy saina hatramin’izao. Izaho izany aloha ilay hoe : Ny lefona milavo, ny basy tsy mifahana, ny totohondry tsy mivonkina, ny flesy tsy mihenjana. Tsy miady tsy mitolona fa miandry tati-reraka eto fotsiny.

Thursday, June 10, 2010

Raha toa moa ka … hafaliana vetivety.

Allo chérie, miracle akia, miracle. Tena nisy magouille nataon’ny banky angamba fa eto amin’ny distributeur de billets aho izao mijery ny solde dia akory ny hatairako fa vola be tsy toko tsy forohana no ao @ kaontintsika. 1 million, 10 millions, 100 millions, 1 milliards, …

Non, diso kay aho fa numéro de compte iny novakiako iny fa ny solde ato aza mbola ilay 4.357 Ariary foana.

Thursday, May 13, 2010

Raha toa moa ka … unstrip Poker

Tanora maromaro, lahy sy vavy milalao unstrip poker, ilay strip poker fa à l’inverse. Ohatra 5 lahy 5 vavy no anombohany. Ny fitsipi-dalao dia tsotra : manofa efi-trano iray, dia samy tsy misy miakanjo fa miboridana tanteraka amin’ny voalohany dia atomboka ny poker. Izay resy dia manomboka mampiditra tsikelikely ny akanjony, ohatra, resy in-1 lé sipa dia ampidiriny ny string, resy faharoa dia ampidiriny ny soutif, etsetra.

Izay mahatafiditra ny akanjony rehetra (izay hoe izay resy lava voalohany) dia mangoron’entana dia mody. Izay tsy mety resy kosa miboridana mihanjaka eo.

Rehefa tanora telo sisa no tavela dia efa akaiky ny fiafaran’ny lalao, ka izay resy voalohany amin’izy telo tavela ireo dia mangoron’entana (ny fitafy rehetra azy 3 tavela) sy manidy lakile ny efitra dia izay roa tavela manao izay ataony ao (kôpy elà) mandra-pahatongan’ny ampitso hamohana ny trano indray.

Alaivo sary an-tsaina izany hoe isan’ilay tsara vintana 3 tavela ialahy, dia isany ao koa lé sipa manja be reven’là be mihitsy, dia ny fahatelo bandy iray hafa advan. Ataon’là zany ze tsy haharesy an’là fa mba ilay advan no ho resy sy handeha hody. Izay no cas de figure tsara indrindra. Saingy raha toa moa ka … ilay sipa no hita taratra fa mitady ho resy foana, ka efa ny ba-kirarony sisa no tsy miditra, ny an’ialahy sy ilay bandy iray hafa anefa mbola zara raha mitafy. Ahoana no atao? Raha ilay sipa mantsy izany no resy dia bandy samy bandy nareo mihidy miboridana ao mandritra ny alina.

Manana safidy 3 ialahy.
1) Na ny poker no lalaovina madio, tsy misy kajikajy politika fa izay alehany any alehany, miandry ny fahatsapan-tenan’ny hafa eo.
2) Na mi-bluff, mody tara @ lé bandy 1 elà, dia hatahotra lery dia hi-sacre hoe tay be kosa raha bandy samy bandy no hihidy ato fa aleoko manao mody resy.
3) Na tsy ho zakan’ny sainlà ny hieritreritra hoe bandy samy bandy no ho tavela ao, dia ialahy no mi-sacra manao resy dia avelan’ialahy ho an’ny advan ny entana.

Raha toa moa ka …

Ho avy ihany no tohin’ilay série efa nampanantenaina ka.